Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Jaona 14:6: “Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana”

Jaona 14:6: “Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana”

 “Hoy i Jesosy: ‘Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.’”—Jaona 14:6, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”—Jaona 14:6, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Jaona 14:6 holazaina?

 Raha te hanompo ny Ray, izany hoe i Jehovah a Andriamanitra, ny olona iray, dia mila mahazo tsara ny anjara asan’i Jesosy.

 “Izaho no lalana.” I Jesosy no manome ny “lalana” ahafahana manatona an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany. Izay mivavaka amin’Andriamanitra, ohatra, dia mila manao an’izany amin’ny anaran’i Jesosy. (Jaona 16:23, 24) Lasa afaka mihavana amin’Andriamanitra sy mahazo ny fankasitrahany ny olombelona, noho ny fahafatesan’i Jesosy. (Romanina 5:8-11) Nanome modely hotahafin’izay rehetra te hampifaly an’Andriamanitra koa izy.—Jaona 13:15.

 “Izaho no ... fahamarinana.” Nifanaraka tamin’ny fahamarinana daholo ny zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony. (1 Petera 2:22) Afaka nianatra ny marina momba an’Andriamanitra izay nihaino azy. (Jaona 8:31, 32) I Jesosy koa no “fahamarinana” satria nanatanteraka ny faminanian’ny Baiboly izy. Tanteraka taminy àry ny fampanantenan’Andriamanitra.—Jaona 1:17; 2 Korintianina 1:19, 20; Kolosianina 2:16, 17.

 “Izaho no ... fiainana.” Nanome ny ainy i Jesosy mba hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra maneho finoana azy. (Jaona 3:16, 36) Izy koa no “fiainana” ho an’ireo nodimandry, satria izy no hanangana azy ireo amin’ny maty.—Jaona 5:28, 29; 11:25.

 “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” Mila manaiky ny anjara asa miavaka tanan’i Jesosy izay te hifandray tsara amin’Andriamanitra. Mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesosy izy ireo, ka mampiseho hoe manaiky ny fahefan’i Jesosy Kristy. (Jaona 15:16) Manaiky koa izy ireo hoe amin’ny alalan’i Jesosy ihany no ahazoana famonjena.—Asan’ny Apostoly 4:12; Filipianina 2:8-11.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Jaona 14:6?

 Hita ao amin’ny Jaona toko faha-​13 hatramin’ny faha-​17 ny torohevitra nomen’i Jesosy an’ireo apostoliny 11, ny alina talohan’ny nahafatesany. Nampirisika ny mpianany mba ho tia sy hankatò ary haneho finoana azy sy ny Rainy i Jesosy, ao amin’ny toko faha-14. (Jaona 14:1, 12, 15-17, 21, 23, 24) Nasehony hoe mifankatia be foana izy sy ny Rainy hatramin’izay. (Jaona 14:10, 20, 28, 31) Na dia efa hiverina any an-danitra aza i Jesosy tamin’izay, dia nanome toky ny mpianany izy hoe tsy handao azy ireo. (Jaona 14:18) Nampanantena azy ireo koa izy hoe handefa “mpanampy”, izany hoe ‘ny fanahy masina izay irahin’ny Rainy amin’ny anarany.’ (Jaona 14:25-27) Niteny an’ireo i Jesosy sady nanao zavatra hafa satria tiany hampiana ny mpianany mba ho vonona hiatrika fitsapana.