Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Romanina 12:12: “Mifalia Amin’ny Fanantenana; Miareta Amin’ny Fahoriana; Mahareta Amin’ny Fivavahana”

Romanina 12:12: “Mifalia Amin’ny Fanantenana; Miareta Amin’ny Fahoriana; Mahareta Amin’ny Fivavahana”

 “Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta fahoriana. Mahareta amin’ny vavaka.”​—Romanina 12:12, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Mifalia amin’ny fanantenana; miareta amin’ny fahoriana; mahareta amin’ny fivavahana.”​—Romanina 12:12, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Romanina 12:12 holazaina?

 Misy zavatra telo ao amin’io andininy io nasain’ny apostoly Paoly nataon’ny Kristianina tany Roma ka hanampy azy ireo tsy hivadika mihitsy, na dia nenjehina sy niatrika zava-tsarotra hafa aza izy ireo.

 “Mifalia amin’ny fanantenana.” Manana fanantenana tena tsara ny Kristianina. Misy amin’izy ireo manantena hiaina mandrakizay any an-danitra, fa ny ankamaroany kosa hiaina mandrakizay eto an-tany rehefa lasa paradisa izy ity. (Salamo 37:29; Jaona 3:16; Apokalypsy 14:1-4; 21:3, 4) Ho hitan’izy ireo, ohatra, ny hanesoran’ny Fanjakan’Andriamanitra a ny olana rehetra mahazo ny olombelona. (Daniela 2:44; Matio 6:10) Afaka ny ho faly ny mpanompon’Andriamanitra na dia miaritra zava-tsarotra aza. Fantatr’izy ireo mantsy fa tsy maintsy ho tanteraka ny zavatra antenainy ary hankasitrahan’Andriamanitra izy ireo raha miaritra.​—Matio 5:11, 12; Romanina 5:3-5.

 “Miareta fahoriana.” Ao amin’ny Baiboly, ilay teny grika nadika hoe “miareta”, dia matetika entina hilazana hoe “mijanona fa tsy mitsoaka, manana fikirizana, tsy mihontsina.” “Tsy anisan’izao tontolo izao” b ny mpanara-dia an’i Kristy ka ampoiziny hoe tsy maintsy henjehina izy, ary tsy maintsy miaritra izy ireo noho izany. (Jaona 15:18-20; 2 Timoty 3:12) Rehefa tsy mivadika ny Kristianina iray fa manompo an’Andriamanitra foana na dia tsy maintsy miaritra fitsapana aza, dia mihamatanjaka ny finoany hoe hamaly soa azy Andriamanitra. (Matio 24:13) Izany finoany izany indray no hanampy azy hanam-paharetana sy ho falifaly rehefa miaritra zava-tsarotra.​—Kolosianina 1:11.

 “Mahareta amin’ny vavaka.” Tsy maintsy mivavaka foana ny Kristianina raha tsy te hivadika amin’Andriamanitra. (Lioka 11:9; 18:1) Tsy mitsahatra mitady ny tari-dalan’Andriamanitra izy ireo ary ankininy aminy izay rehetra ataony. (Kolosianina 4:2; 1 Tesalonianina 5:17) Matoky izy ireo hoe hamaly ny vavaka ataony Andriamanitra satria mankatò ny didiny izy ireo ary miezaka mafy mba hampifaly azy. (1 Jaona 3:22; 5:14) Fantany koa fa raha tsy mitsahatra mivavaka izy dia hanome ny hery ilainy Andriamanitra, ka hahavita tsy hivadika izy na inona na inona fitsapana mahazo azy.​—Filipianina 4:13.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Romanina 12:12?

 Tamin’ny taona 56 angamba i Paoly no nanoratra ny taratasiny ho an’ny Kristianina tany Roma. Misy torohevitra tsara nomeny ao amin’ny toko 12 amin’io taratasy. Anisan’izany ny hoe ahoana no hampisehoan’ny Kristianina toetra tsara, ahoana no tokony hifampitondran’izy ireo sy ny fomba tokony hitondrany ny olon-kafa, ary hoe ahoana no tokony hataon’izy ireo mba hitandroana foana ny fihavanana na dia enjehina aza. (Romanina 12:9-21) Tena ara-potoana izany torohevitra izany satria tsy ho ela dia hiatrika fanenjehana mivaivay izy ireo.

 Nisy afo nandravarava ny tanànan’i Roma taona vitsivitsy taorian’izay, izany hoe tamin’ny taona 64. Nisy resaka nandeha hoe ny Mpanjaka Néron no tompon’andraikitra tamin’ilay izy. Nilaza i Tacite, Romanina mpahay tantara, hoe te hiaro ny tenany i Néron dia ny Kristianina indray no nendrikendrehiny. Lasa niatrika fanenjehana mahery vaika ny Kristianina noho izany. Nahavita tsy nivadika sy tsy namaly faty anefa izy ireo noho ilay torohevitr’i Paoly momba ny hoe ahoana no iatrehana fanenjehana. (1 Tesalonianina 5:15; 1 Petera 3:9) Miana-javatra be dia be avy amin’izy ireo ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao fotoana izao.

 Jereo ity video fohy ity mba hahitanao ny mombamomba ny bokin’ny Romanina.

a Fitondram-panjakana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Andriamanitra no nanangana azy io mba hanatanteraka ny sitrapony eto an-tany. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

b Ny olona rehetra tafasaraka amin’Andriamanitra ilay hoe “izao tontolo izao” ao amin’ny Baiboly.