Hijery ny anatiny

Inona no Atao hoe Ady Hara-magedona?

Inona no Atao hoe Ady Hara-magedona?

Valiny ara-baiboly

 Ady farany hataon’Andriamanitra amin’ny fitondram-panjakan’olombelona no atao hoe Hara-magedona. Manohitra an’Andriamanitra ireny fanjakana ireny sy ny mpanohana azy, satria tsy mety manaiky azy ho mpitondra. (Salamo 2:2) Ho foana tanteraka ny fitondran’olombelona aorian’ny Hara-magedona.—Daniela 2:44.

 Ao amin’ny Apokalypsy 16:16 ihany no ahitana ny teny hoe “Hara-magedona”, ao amin’ny Baiboly. Milaza ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy hoe hangonina eo “amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona” ny “mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina”, rehefa tonga ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”—Apokalypsy 16:14.

 Iza no hiady, amin’ny Hara-magedona? Hitarika ny tafika any an-danitra i Jesosy Kristy ary ho resin’izy ireo ny fahavalon’Andriamanitra. (Apokalypsy 19:11-16, 19-21) Tsy iza ireo fahavalo ireo fa ny olona manohitra ny fahefan’Andriamanitra sy tsy manaja azy.—Ezekiela 39:7.

 Hatao any Israely tokoa ve ny ady Hara-magedona? Tsia. Tsy ho eo amin’ny toerana iray monja ny ady Hara-magedona fa hanerana ny tany.—Jeremia 25:32-34; Ezekiela 39:17-20.

 “Tendrombohitr’i Megido” no dikan’ny hoe “Hara-magedona” na “Armagedòna.” (Hebreo: Har Megiddôhn). Tanàna iray tany Israely fahiny i Megido. Nisy ady maro manan-tantara teo amin’ny manodidina an’io tanàna io, anisan’izany ny ady sasany voasoratra ao amin’ny Baiboly. (Mpitsara 5:19, 20; 2 Mpanjaka 9:27; 23:29) Tsy toerana eny akaikin’io Megido fahiny io anefa ilay Hara-magedona. Tsy misy tendrombohitra lehibe mantsy any sady tsy antonona ny olona rehetra hiady amin’Andriamanitra na dia ny Lemaka Ivan’i Jezirela eo akaikiny eo aza. Ilazana zavatra hitranga maneran-tany kosa ny hoe Hara-magedona. Amin’izay no hivondrona farany hanohitra ny fitondran’Andriamanitra ireo firenena.

 Hoatran’ny ahoana ny zavatra hitranga mandritra ny Hara-magedona? Tsy fantatsika hoe ahoana no hampiasan’Andriamanitra ny heriny. Afaka mampiasa an’ireto anefa izy, toy ny efa nataony taloha: Havandra, horohoron-tany, oram-be manafotra, afo sy solifara, tselatra, ary aretina. (Joba 38:22, 23; Ezekiela 38:19, 22; Habakoka 3:10, 11; Zakaria 14:12) Hifanjevo ny fahavalon’Andriamanitra amin’izay fotoana izay, ka hifamono ny sasany aminy. Ho tonga saina anefa izy ireo amin’ny farany hoe Andriamanitra no miady aminy.—Ezekiela 38:21, 23; Zakaria 14:13.

 Ho potika ve izao tontolo izao amin’ny Hara-magedona? Tsia, satria fonenan’ny olombelona mandrakizay ny tany. (Salamo 37:29; 96:10; Mpitoriteny 1:4) Hanavotra ny olombelona ny ady Hara-magedona fa tsy handripaka azy ireo. Ho tafavoaka velona mantsy ny “vahoaka be” manompo an’Andriamanitra.—Apokalypsy 7:9, 14; Salamo 37:34.

 Tsy tany fotsiny no dikan’ny hoe “izao tontolo izao” ao amin’ny Baiboly, fa midika koa izy io indraindray hoe ny ratsy fanahy rehetra manohitra an’Andriamanitra. (1 Jaona 2:15-17) Ho amin’ny Hara-magedona àry ny “fiafaran’izao tontolo izao”, na ny farany ho an’ny ratsy fanahy.—Matio 24:3, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

 Rahoviana no hitranga ny ady Hara-magedona? Hoy i Jesosy, rehefa niresaka momba ny “fahoriana lehibe”, izay hifarana amin’ny ady Hara-magedona: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:21, 36) Na izany aza, dia asehon’ny Baiboly fa mandritra ny fanatrehan’i Jesosy no hitranga ny Hara-magedona. Efa nanomboka tamin’ny 1914 io fanatrehany io ary tsy hita maso.—Matio 24:37-39.