Hijery ny anatiny

Inona Ilay Bibidia Mena Midorehitra Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-17?

Inona Ilay Bibidia Mena Midorehitra Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-17?

Valiny ara-baiboly

 Entina ilazana fikambanana iray ilay bibidia mena midorehitra ao amin’ny Apokalypsy toko faha-​17. Natao hampiray saina ny firenena eran-tany ilay fikambanana sady solontenan’ireo firenena ireo. Ny Fikambanam-pirenena izy io tamin’ny voalohany, fa ny Firenena Mikambana kosa izao.

Ahoana no amantarana an’ilay bibidia mena midorehitra?

  1.   Fikambanana ara-politika. Manana “loha fito” ilay bibidia mena midorehitra. “Tendrombohitra fito” sy “mpanjaka fito” ilay “loha fito”, izany hoe fitondram-panjakana na mpitondra. (Apokalypsy 17:9, 10) Entina ilazana fitondram-panjakana ny hoe tendrombohitra sy biby, ao amin’ny Baiboly.—Jeremia 51:24, 25; Daniela 2:44, 45; 7:17, 23.

  2.   Solontenan’ny fitondrana eran-tany. Misy zavatra itovizan’ilay bibidia mena midorehitra sy ilay bibidia manana loha fito voalaza ao amin’ny Apokalypsy toko faha-13. Ny fitondrana ara-politika eran-tany ilay bibidia manana loha fito. Samy manana loha fito sy tandroka folo izy sy ilay bibidia mena midorehitra, ary samy manana anarana manevateva an’Andriamanitra. (Apokalypsy 13:1; 17:3) Tsy kisendrasendra fotsiny izany fitoviana be izany. ‘Sarin’ireo’ fitondrana ara-politika eran-tany àry ilay bibidia mena midorehitra, izany hoe solontenany.—Apokalypsy 13:15.

  3.   Omen’ny mpitondra hafa fahefana. Avy tamin’ny fitondrana hafa ilay bibidia mena midorehitra, izany hoe ireo fitondrana ireo no nampisy azy.—Apokalypsy 17:11, 17.

  4.   Mifandray amin’ny fivavahana. Mipetraka eo ambonin’ilay bibidia mena midorehitra i Babylona Lehibe na ny fivavahan-diso rehetra. Midika izany fa misy heriny be eo amin’ilay bibidia ny fivavahana.—Apokalypsy 17:3-5.

  5.   Manala baraka an’Andriamanitra. “Feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra” ilay bibidia.—Apokalypsy 17:3.

  6.   Tsy hisy mandritra ny fotoana kelikely. Ho ao amin’ny “lavaka mangitsokitsoka” a mandritra ny fotoana kelikely ilay bibidia mena midorehitra, izany hoe tsy hisy elaela. Hisy indray anefa izy io avy eo.—Apokalypsy 17:8.

Tanteraka izay nolazain’ny Baiboly momba an’ilay bibidia

 Inona avy no manaporofo fa ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena Mikambana ilay bibidia mena midorehitra noresahin’ny Baiboly mialoha?

  1.   Fikambanana ara-politika. Manohana ny fitondrana ara-politika rehetra ny Firenena Mikambana, ka milaza fa ‘mitovy tanteraka ireo mpikambana’ rehetra ao aminy. b

  2.   Solontenan’ny fitondrana ara-politika eran-tany. Tamin’ny 2011 no niditra ho mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana ny firenena faha-193 anisan’izy io. Mitonona ho solontenan’ny ankamaroan’ny firenena sy vahoaka eran-tany àry ny Firenena Mikambana.

  3.   Omen’ny mpitondra hafa fahefana. Tsy ho nisy ny Firenena Mikambana raha tsy teo ireo firenena nanangana azy. Avy amin’izy ireo koa ny hery sy fahefana ananany.

  4.   Mifandray amin’ny fivavahana. Ny fivavahana eran-tany foana no nanohana ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena Mikambana. c

  5.   Manala baraka an’Andriamanitra. Naorina mba ‘hitandro ny fandriampahalemana sy filaminana’ eran-tany ny Firenena Mikambana. d Tsara tokoa ilay tanjony. Manala baraka an’Andriamanitra anefa ny ONU rehefa milaza ho mahavita an’izany. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany mantsy no hahavita an’izany.—Salamo 46:9; Daniela 2:44.

  6.   Tsy hisy mandritra ny fotoana kelikely. Natsangana ny Fikambanam-pirenena taoriana kelin’ny Ady Lehibe I, mba hampisy fiadanana. Tsy nahasakana ny firenena eran-tany tsy hiady anefa izy io. Tsy niasa intsony izy io rehefa nanomboka ny Ady Lehibe II, tamin’ny 1939. Naorina ny Firenena Mikambana rehefa nifarana ny Ady Lehibe II, tamin’ny 1945. Mitovy be ny tanjona sy ny fomba fiasa ary ny firafitry ny Firenena Mikambana sy ny Fikambanam-pirenena.

a Midika hoe “lalina be tsy misy hoatr’izany” ilay teny grika nadika hoe “lavaka mangitsokitsoka”, araka ny Vine’s Expository Dictionary of Old and New Testament Words. Ny King James Version indray mandika azy io hoe “lavaka be tsy hita fetra.” Toerana an’ohatra izy io, ary toy ny hoe gadra na tsy afaka manao na inona na inona izay lasa ao.

b Jereo ny Andininy 2 amin’ny Sata Mifehy ny Firenena Mikambana.

c Nilaza, ohatra, ny filan-kevitra nisolo tena ny antokom-pivavahana protestanta maromaro any Amerika tamin’ny 1918, fa ny Fikambanam-pirenena no “solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.” Nivory tao San Francisco koa ny solontenan’ny Bodisma, Fivavahana Katolika, Fivavahana Ortodoksa Tatsinanana, Hindoisma, Silamo, Jodaisma, ary ny Fivavahana Protestanta, tamin’ny 1965, mba hanohana ny Firenena Mikambana sy hivavaka ho azy io. Nilaza koa ny Papa Jean-Paul II tamin’ny 1979 fa nanantena izy hoe ny ONU foana no ho tsara toerana indrindra mba handinika momba “ny fandriampahalemana sy ny rariny.”

d Jereo ny Andininy 1 amin’ny Sata Mifehy ny Firenena Mikambana.