Hijery ny anatiny

Inona no Atao hoe Didy Folo?

Inona no Atao hoe Didy Folo?

Valiny ara-baiboly

 Lalàna nasain’Andriamanitra narahin’ny firenen’Israely fahiny ny Didy Folo na Teny Folo. Avy amin’ny teny hebreo hoe ʽaseret haddevarim ny hoe Teny Folo, ary hita intelo ao amin’ny Boky Dimy Voalohany (Torah) ao amin’ny Baiboly. (Eksodosy 34:28; Deoteronomia 4:13; 10:4) Deka lôgos kosa ny hoe Teny Folo amin’ny teny grika, ary avy amin’io ilay hoe Didy Folo.

 Nosoratan’Andriamanitra teo amin’ny takela-bato roa ny Didy Folo, ary nomeny an’i Mosesy mpaminany teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. (Eksodosy 24:12-18) Ao amin’ny Eksodosy 20:1-17 sy ny Deoteronomia 5:6-21 no ahitana azy.

 Inona avy ny Didy Folo?

  1.   I Jehovah Andriamanitra ihany no tokony hivavahanao.—Eksodosy 20:3.

  2.   Aza manompo sampy.—Eksodosy 20:4-6.

  3.   Aza manao tsinontsinona ny anaran’Andriamanitra.—Eksodosy 20:7.

  4.   Tandremo ny andro sabata.—Eksodosy 20:8-11.

  5.   Hajao ny ray aman-dreninao.—Eksodosy 20:12.

  6.   Aza mamono olona.—Eksodosy 20:13.

  7.   Aza manitsakitsa-bady.—Eksodosy 20:14.

  8.   Aza mangalatra.—Eksodosy 20:15.

  9.   Aza mijoro ho vavolombelona mandainga.—Eksodosy 20:16.

  10.   Aza mitsiriritra.—Eksodosy 20:17.

 Nahoana no tsy mitovy ny nandaharan’ny olona ny Didy Folo?

 Tsy resahin’ny Baiboly hoe iza amin’ireo didy ireo no tokony ho voalohany, dia iza no faharoa, sy ny sisa. Tsy mitovy àry ny hevitry ny olona momba izany. Ilay voalohany sy faharoa ary ilay farany no tena tsy mitovy ny fomba andaharan’ny olona azy. a Hoatran’io eo ambony io foana anefa matetika no andaharan’ny olona ny Didy Folo.

 Nahoana Andriamanitra no nanome ny Didy Folo?

 Misy didy 600 mahery ao amin’ny Lalàn’i Mosesy, ka anisan’izany ny Didy Folo. Nanao fifanekena tamin’Andriamanitra ny firenen’Israely hoe hanaraka an’ilay Lalàna iray manontolo. (Eksodosy 34:27) Nampanantena azy ireo Andriamanitra hoe hiadana sy ho sambatra izy ireo raha mankatò ny Lalàn’i Mosesy. (Deoteronomia 28:1-14) Inona anefa no tena antony nanomezan’Andriamanitra an’io Lalàna io? Mba hanampiana ny Israelita ho vonona handray an’ilay Mesia nampanantenaina, na i Kristy.—Galatianina 3:24.

 Mbola mila mitandrina ny Didy Folo ve ny Kristianina?

 Tsia. Nataon’Andriamanitra ho an’ny firenen’Israely fahiny ny Lalàn’i Mosesy, anisan’izany ny Didy Folo. (Deoteronomia 5:2, 3; Salamo 147:19, 20) Tsy voatery hanaraka ny Lalàn’i Mosesy àry ny Kristianina. Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe efa ‘afaka tamin’ny Lalàna’ ny Kristianina jiosy. (Romanina 7:6) b Efa nosoloana lalàna vaovao ny Lalàn’i Mosesy. Antsoina hoe “lalàn’i Kristy” io lalàna vaovao io, ary anisan’izy io ny zavatra rehetra asain’i Jesosy ataon’ny mpanara-dia azy.—Galatianina 6:2; Matio 28:19, 20.

 Mbola mahasoa antsika ve ny Didy Folo?

 Eny. Mbola mahasoa ny Didy Folo satria ahalalana ny hevitr’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16, 17) Tsara àry raha mandinika azy ireo isika. Hahita toro lalana tena ilaina isika amin’izay, sady azo ampiharina foana ilay izy. (Salamo 111:7, 8) Hita ao amin’ny Testamenta Vaovao mihitsy aza ny toro lalana sasany.—Jereo ilay hoe “ Toro lalana avy amin’ny Didy Folo hita ao amin’ny Testamenta Vaovao.”

 Nilaza i Jesosy hoe didy roa no lehibe indrindra ao amin’ny Lalàn’i Mosesy manontolo. Hoy izy: ‘Izao no didy lehibe indrindra sady voalohany: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” Ireo didy roa ireo no fototry ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany.’ (Matio 22:34-40) Ireo didy roa ireo àry no tsy maintsy arahin’ny Kristianina, fa tsy voatery hanaraka ny Lalàn’i Mosesy intsony izy. Tsy maintsy tia an’Andriamanitra sy tia olona izy.—Jaona 13:34; 1 Jaona 4:20, 21.

  Toro lalana avy amin’ny Didy Folo hita ao amin’ny Testamenta Vaovao

Toro Lalana

Testamenta Vaovao

I Jehovah Andriamanitra ihany no tokony hivavahanao

Apokalypsy 22:8, 9

Aza manompo sampy

1 Korintianina 10:14

Aza manala baraka ny anaran’Andriamanitra

Matio 6:9

Manompoa foana an’Andriamanitra

Hebreo 10:24, 25

Hajao ny ray aman-dreninao

Efesianina 6:1, 2

Aza mamono olona

1 Jaona 3:15

Aza manitsakitsa-bady

Hebreo 13:4

Aza mangalatra

Efesianina 4:28

Aza manao vavolombelona mandainga

Efesianina 4:25

Aza mitsiriritra

Lioka 12:15

a Hoatr’izao, ohatra, no andaharan’ny Jiosy azy, araka ny rakipahalalana iray: ‘Eo amin’ny Ek[sodosy] 20:2 ny “teny” [na didy] voalohany. Eo amin’ny andininy 3-6 kosa ny didy faharoa.’ (The Jewish Encyclopedia) Ny Katolika indray milaza hoe didy iray ihany ny eo amin’ny Eksodosy 20:1-6. Lasa didy faharoa àry ilay hoe: ‘Aza manao tsinontsinona ny anaran’Andriamanitra.’ Mba ho feno folo anefa ilay didy, dia nozarain-dry zareo ho didy roa samy hafa ilay didy farany, ka ny iray hoe: “Aza mitsiriritra vadin’olona”, ary ny iray kosa hoe: ‘Aza mitsiriritra fananan’olona.’

b Tena anisan’ny Lalàn’i Mosesy ny Didy Folo, rehefa jerena ny Romanina 7:7. Hita ao amin’io andininy io mantsy hoe anisan’ilay “Lalàna” ny didy fahafolo ao amin’ny Didy Folo.