Hijery ny anatiny

Iza Ireo “Magy Telo”? Nasain’Andriamanitra Nanaraka An’ilay ‘Kintan’i Betlehema’ ve Izy Ireo?

Iza Ireo “Magy Telo”? Nasain’Andriamanitra Nanaraka An’ilay ‘Kintan’i Betlehema’ ve Izy Ireo?

Valiny ara-baiboly

 Rehefa Krismasy, dia be dia be ny olona miteny hoe nisy “magy telo” na “olon-kendry telo” na “mpanjaka telo” tonga nitsidika an’i Jesosy tamin’izy teraka. Tsy nisy an’ilay teny hoe “olon-kendry” sy ilay hoe “mpanjaka” anefa tao amin’ny Baiboly, tamin’ny mbola teny grika. (Matio 2:1) Ilay teny grika hoe magôi no nampiasain’i Matio mpanoratra Filazantsara rehefa niresaka momba azy ireo. Olona manam-pahaizana amin’ny resaka astrolojia sy fanao hafa misy ifandraisany amin’ny demonia no antsoina hoe magôi. a “Mpanandro” na “magy” no nandikan’ny Baiboly sasany an’io teny io. b

 Firy ny isan’ireo “magy”?

 Tsy lazain’ny Baiboly ny isan’izy ireo. Tsy mitovy koa ny isa lazain’ny olona. Milaza ny Encyclopedia Britannica hoe: ‘Mino ny ankamaroan’ny olona any Azia fa 12 ny isan’ireo Magy. Ny olona sasany any Eoropa sy any Etazonia kosa anefa mino hoe telo ny isan’izy ireo, angamba satria hoe nisy karazany telo ny fanomezana nentin’izy ireo. Nomen’izy ireo “volamena sy ditin-kazo manitra ary miora” (Matio 2:11) ilay zaza.’

 Mpanjaka ve ireo “magy” ireo?

 Milaza ny olona sasany hoe mpanjaka ireo olona nitsidika an’i Jesosy ireo. Tsy misy milaza mihitsy anefa ao amin’ny Baiboly hoe mpanjaka izy ireo. Resahin’ny Encyclopedia Britannica fa nisy nanampy zavatra hafa ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesosy, an-jatony taona tatỳ aoriana, anisan’izany ilay hoe mpanjaka ireo olona nitsidika azy.

 Iza ny anaran’ireo “magy” ireo?

 Tsy resahina ao amin’ny Baiboly ny anaran’ireo mpanandro ireo. Milaza ny The International Standard Bible Encyclopedia fa “nisy nanome anarana izy ireo (ohatra hoe Gaspara sy Melkiora ary Baltazara), saingy avy amin’ny angano izany.”

 Oviana ireo “magy” ireo no nitsidika an’i Jesosy?

 Mety ho volana maromaro taorian’ny nahaterahan’i Jesosy ireo mpanandro no tonga nitsidika azy. Inona no manaporofo an’izany? Te hamono an’i Jesosy i Heroda Mpanjaka, dia nasainy novonoina daholo ny zazalahy roa taona no ho midina. Avy tamin’ny zavatra nolazain’ireo mpanandro taminy no nanombantombanany hoe zaza hatramin’ny firy taona no hovonoina.—Matio 2:16.

 Tsy tamin’ny alina nahaterahan’i Jesosy ireo mpanandro no tonga nitsidika azy. Milaza ny Baiboly hoe: “Rehefa niditra tao amin’ilay trano izy ireo, dia nahita an’ilay zaza sy Maria reniny.” (Matio 2:11) Hita avy amin’izany hoe efa tany an-trano izy mianakavy tamin’izay, ary tsy zazakely vao teraka intsony i Jesosy sady tsy natory teo amin’ny fihinanam-bilona intsony.—Lioka 2:16.

 Andriamanitra ve no nampiasa an’ilay ‘kintan’i Betlehema’ mba hitarihana an’ireo “magy”?

 Misy milaza hoe nampiasa kintana antsoina hoe kintan’i Betlehema Andriamanitra mba hitarika an’ireo mpanandro ho any amin’i Jesosy. Tsy mitombina anefa izany. Nahoana? Diniho ireto:

  •   Notarihin’ilay “kintana” nankany Jerosalema aloha ireo mpanandro. Hoy ny Baiboly: “Nisy mpanandro avy any atsinanana tonga tao Jerosalema, nilaza hoe: ‘Aiza ilay nateraka ho mpanjakan’ny Jiosy? Fa hitanay ny kintany fony izahay tany atsinanana, ka tonga hiankohoka eo anatrehany izahay.’”—Matio 2:1, 2.

  •   I Heroda Mpanjaka aloha no nahatonga an’ireo mpanandro ho any Betlehema, izay vao ilay “kintana.” Vao naheno i Heroda hoe misy “mpanjakan’ny Jiosy” any ho any, sady mety haka ny toerany ilay izy, dia nanadihady izy hoe aiza no hahaterahan’ilay Kristy nampanantenaina. (Matio 2:3-6) Rehefa fantany hoe any Betlehema no ho teraka i Kristy, dia nirahiny ho any ireo mpanandro mba hitady an’ilay zaza. Nasainy niverina tany aminy izy ireo avy eo mba hitantara an’izay hitany.

     Tamin’izay ireo mpanandro vao nankany Betlehema. Milaza ny Baiboly hoe: “Dia lasa ireo rehefa avy nandre ny tenin’ny mpanjaka. Ary iny fa nialoha azy ireo ilay kintana efa hitany tany atsinanana, ka tsy nijanona raha tsy teo ambonin’ilay trano nisy ilay zaza.”—Matio 2:9.

  •   Lasa notandindomin-doza ny ain’i Jesosy rehefa nipoitra ilay “kintana”, ary be dia be koa ny zaza tsy manan-tsiny novonoina. Nampitandreman’Andriamanitra ireo mpanandro rehefa niala tany Betlehema, mba tsy hiverina any amin’i Heroda.—Matio 2:12.

 Dia ahoana hoy i Heroda? Izao no resahin’ny Baiboly: “Romotry ny hatezerana i Heroda rehefa hitany fa voafitaky ny mpanandro izy. Koa naniraka olona izy hamono ny zazalahikely rehetra tany Betlehema sy ny faritra rehetra manodidina azy, dia ireo zaza roa taona no ho midina, araka ilay fotoana nofotorany tsara tamin’ireo mpanandro.” (Matio 2:16) Tsy ho Andriamanitra mihitsy no nahatonga an’izany zavatra ratsy be izany hitranga.—Joba 34:10.

a Nilaza i Hérodote, mpahay tantara grika tamin’ny taonjato fahadimy Talohan’i Kristy, fa avy tamin’ny foko medianina (persianina) nahay nanandro sy nanazava hevitry ny nofy ny magôi tamin’ny androny.

b Jereo ny Fandikan-teny Protestanta, New American Standard Bible, The New American Bible, The New English Bible, ary ny New International Version Study Bible. Ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara kosa mandika azy io hoe “olon-kendry.”