Hijery ny anatiny

Hamaly ny Vavaka Ataoko ve Andriamanitra?

Hamaly ny Vavaka Ataoko ve Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Eny. Izany no lazain’ny Baiboly ary manamarina izany koa ny zavatra niainan’ny olona sasany. Hoy ny Baiboly momba an’Andriamanitra: “Hotanterahiny ny fanirian’izay matahotra azy. Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy, ka hovonjeny.” (Salamo 145:19) Arakaraka izay ataonao ihany anefa no hahatonga an’Andriamanitra hihaino ny vavaka ataonao na tsia.

Inona no takin’Andriamanitra aminao rehefa mivavaka aminy ianao?

  •   Tokony hivavaka amin’Andriamanitra, fa tsy amin’i Jesosy na Maria na olo-masina na anjely na sary. I Jehovah Andriamanitra ihany mantsy no “Mpihaino vavaka.”—Salamo 65:2.

  •   Tokony hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra na ny didiny ao amin’ny Baiboly ny zavatra angatahina.—1 Jaona 5:14.

  •   Tokony hatao amin’ny anaran’i Jesosy ilay vavaka, mba hampisehoana fa manaja ny fahefany. Hoy mantsy izy: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”—Jaona 14:6.

  •   Tokony hanana finoana rehefa mivavaka, ary mangataka finoana bebe kokoa raha ilaina izany.—Matio 21:22; Lioka 17:5.

  •   Tokony hanetry tena ka hilaza izay tena ao am-po. Hoy ny Baiboly: “Na avo aza i Jehovah, dia mijery ny manetry tena.”—Salamo 138:6.

  •   Tokony tsy hitsahatra hivavaka. Hoy mantsy i Jesosy: “Mangataha foana dia homena ianareo.”—Lioka 11:9.

Inona no tsy zava-dehibe amin’Andriamanitra rehefa mivavaka aminy ianao?

  •   Tsy zava-dehibe aminy ny volon-koditra na ny firenena niaviana. “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

  •   Tsy mampaninona azy izay paozinao rehefa mivavaka. Mety aminy foana na mipetraka ianao, na mitsangana na miondrika na mandohalika.—1 Tantara 17:16; Nehemia 8:6; Daniela 6:10; Marka 11:25.

  •   Tsy olana aminy na mivavaka amin’ny feo avo ianao na anakampo. Mamaly foana izy na mivavaka an’eritreritra fotsiny aza ianao fa tsy misy maheno.—Nehemia 2:1-6.

  •   Mihaino izy na lehibe na kely ny olana mahazo anao. Mampirisika mantsy izy hoe: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”—1 Petera 5:7.