Hijery ny anatiny

Renin’Andriamanitra ve i Maria?

Renin’Andriamanitra ve i Maria?

Valiny ara-baiboly

 Tsia. Tsy milaza ny Baiboly hoe renin’Andriamanitra i Maria. Tsy ampirisihiny hivavaka amin’i Maria na hanindrahindra azy koa ny Kristianina. a Diniho izao:

  •   Tsy nilaza mihitsy i Maria hoe renin’Andriamanitra izy. Hazavain’ny Baiboly fa ny “Zanaky ny Avo Indrindra”, na “Zanak’Andriamanitra” no naterany, fa tsy Andriamanitra akory.—Lioka 1:32, 35.

  •   Tsy nilaza mihitsy koa i Jesosy Kristy hoe renin’Andriamanitra i Maria na hoe tokony hivavahana. Nisy fotoana aza nisy vehivavy anankiray niteny hoe sambatra i Maria fa niteraka an’i Jesosy. Hoy anefa i Jesosy tamin’izay: “Tsy izany mihitsy, fa izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany kosa no sambatra!”—Lioka 11:27, 28.

  •   Tsy hita ao amin’ny Baiboly mihitsy ny teny hoe “Renin’Andriamanitra” na “Teôtôkôs” (niteraka an’Andriamanitra).

  •   Tsy i Maria mihitsy no tiana holazaina amin’ny hoe “mpanjakavavin’ny lanitra” ao amin’ny Baiboly, fa andriamanibavy nivavahan’ny Israelita nivadi-pinoana. (Jeremia 44:15-19) Mety hoe i Ishtar (na Astarta), andriamanibavy nivavahan’ny Babylonianina izy io.

  •   Tsy nivavaka tamin’i Maria ny Kristianina fahiny, sady tsy nanindrahindra azy. Hoy ny mpahay tantara anankiray: ‘Tsy nanindrahindra olona ny Kristianina fahiny. Mety ho nieritreritra koa izy ireo hoe raha manajanaja be an’i Maria izy ireo dia heverin’ny olona fa mivavaka amin’ny andriamanibavy.’—In Quest of the Jewish Mary.

  •   Milaza ny Baiboly fa efa nisy hatramin’izay Andriamanitra. (Salamo 90:1, 2; 93:2) Tsy nanam-piandohana àry izy ka tsy manana reny niteraka azy. Sady tsy antonona ao an-kibon’i Maria koa Andriamanitra, satria milaza mazava tsara ny Baiboly fa na ny lanitry ny lanitra aza tsy omby azy.—1 Mpanjaka 8:27.

Renin’i Jesosy i Maria fa tsy “Renin’Andriamanitra”

 Jiosy i Maria, ary taranak’i Davida Mpanjaka. (Lioka 3:23-31) Tena tian’Andriamanitra izy satria nanam-pinoana sady nahafoy tena. (Lioka 1:28) Nofidin’Andriamanitra ho lasa renin’i Jesosy àry izy. (Lioka 1:31, 35) Mbola niteraka hafa koa anefa i Maria sy Josefa vadiny.—Marka 6:3.

 Hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:14 hoe lasa mpianatr’i Jesosy i Maria. Tsy miresaka momba azy intsony ny Baiboly aorian’izay.

a Be dia be ny fivavahana mampianatra fa renin’Andriamanitra i Maria. Lazain’izy ireo fa “Mpanjakavavin’ny Lanitra” izy na koa “Teôtôkôs”, teny grika midika hoe “niteraka an’Andriamanitra.”