Hijery ny anatiny

Bokin’ny Eoropeanina ve ny Baiboly?

Bokin’ny Eoropeanina ve ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Tsy Eoropeanina no nanoratra ny Baiboly. Avy any Azia daholo ireo lehilahy nasain’Andriamanitra nanoratra Baiboly. Tsy milaza ny Baiboly hoe misy firazanana ambony kokoa noho ny hafa. Milaza aza izy hoe: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.