Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ampianaro Hahay Hankasitraka ny Zanakao

Ampianaro Hahay Hankasitraka ny Zanakao

 Hitan’ny mpikaroka hoe faly sy salama kokoa ny olona mahay mankasitraka, ary mahay miatrika olana sy mahay mifandray kokoa amin’ny hafa. Milaza ny manam-pahaizana iray antsoina hoe Robert Emmons fa rehefa mahay mankasitraka ny olona iray dia “voaro amin’ny fihetseham-po mety hanimba azy, ohatra hoe ny fitsiriritana sy ny lolompo ary ny faniriana tsy mety afa-po.” a

 Inona no soa azon’ny zanakao rehefa mahay mankasitraka izy? Tanora 700 no nanaovana fanadihadiana tao anatin’ny efa-taona, ary hita hoe izay tia mankasitraka dia tsy atahorana loatra hangala-tahaka, hifoka zava-mahadomelina sy hiboboka toaka, na hanao ditra hafa.

  •   Tsy hahay hankasitraka izay manambonimbony tena. Betsaka ny ankizy mieritreritra hoe mendrika azy daholo ny zavatra tsara mitranga eo amin’ny fiainany. Tsy hahay hankasitraka anefa izy raha mieritreritra hoe mendrika azy ilay izy fa tsy hoe fanomezana ho azy.

     Be dia be no manana toetra hoatr’izany amin’izao. Misy renim-pianakaviana iray antsoina hoe Katherine nilaza hoe “mampirisika ny olona hanambonimbony tena ny tontolo misy antsika.” Hoy koa izy: “Misy zavatra be dia be mihitsy asehon’ny haino aman-jery antsika, dia avy eo lazainy hoe mendrika ny hahazo an’ireny isika sady isika no tokony ho voalohany hahazo azy.”

  •   Mbola kely ny ankizy dia efa azo ampianarina hahay hankasitraka. Hoy ny renim-pianakaviana iray antsoina hoe Kaye: “Mora ahitsy ny ankizy. Raha ampianarinao hanana fahazarana tsara izy dieny mbola kely, dia hoatran’ny hoe mametraka tsato-kazo manampy ny zavamaniry iray hahitsy tsara ianao.”

Ahoana no ampianarana ny ankizy hahay hankasitraka?

  •   Ampianaro azy izay tokony hoteneniny. Na ny ankizikely aza efa afaka mianatra miteny hoe misaotra rehefa misy manome zavatra azy na tsara fanahy aminy. Lasa hahay hankasitraka kokoa an’izay zavatra tsara ataon’ny hafa ho azy izy rehefa mihalehibe.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Asehoy ... fa mahay mankasitraka ianareo.”​—Kolosianina 3:15.

     “Vao telo taona ilay zafikelinay dia efa mahay miteny hoe ‘misaotra’, sady manao ‘azafady’ rehefa mangataka zavatra. Ny dada sy mamany no nampianatra azy an’izany. Mahalala fomba sy zatra misaotra ry zareo, dia izay koa no tahafin’ilay zaza.”​—Jeffrey.

  •   Ampianaro azy izay tokony hataony. Maninona, ohatra, raha asaina manoratra taratasy kely fisaorana izy rehefa misy manome zavatra amin’ny manaraka? Raha asainao manao raharaha koa ny zanakao, dia ho hitany hoe mila ezaka be vao lasa mahafinaritra ny ao an-trano. Hankasitraka kokoa ny zavatra ataon’ny hafa izy amin’izay.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—Asan’ny Apostoly 20:35.

     “Efa lehibebe izy mianadahy zanakay, dia efa ampandraisinay anjara amin’ny zavatra sasany ao an-trano, ohatra hoe mieritreritra an’izay hatao sakafo, mahandro, ary manao raharaha hafa. Manampy an-dry zareo hahatsapa ny asa mafy ataonay ray aman-dreny izany, ka lasa mankasitraka kokoa ny zavatra ataonay ry zareo.”​—Beverly.

  •   Atoroy azy ny toe-tsaina tokony hananany. Mahay mankasitraka ny olona rehefa manetry tena, tsy misy hafa amin’ny voninkazo mandrobona be rehefa tsara ny tany aniriany. Ny olona manetry tena mantsy miaiky hoe mila fanampiana foana izy, na inona na inona ataony. Lasa mahay mankasitraka kokoa àry izy rehefa misy manampy.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Manetre tena ka hevero hoe ambony noho ianareo ny hafa. Ary aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.”​—Filipianina 2:3, 4.

     “Manao kilalao kely izahay indraindray rehefa misakafo hariva. Mifandimby miteny an’izay zavatra nankasitrahany tamin’iny andro iny ny tsirairay. Mba zavatra tsara daholo no eritreretinay amin’izay fa tsy zavatra mahakivy. Lasa mahay mankasitraka koa izahay fa tsy tia tena.”​—Tamara.

 Soso-kevitra: Miezaha ho modely. Hahay hankasitraka kokoa ny ankizy rehefa maheno anao mankasitraka azy sy mankasitraka ny hafa foana.

a Tao amin’ilay boky hoe Thanks! How Practicing Gratitude Can Make You Happier.