Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TOKANTRANO

Inona no Hanampy ny Mpivady Hanam-paharetana?

Inona no Hanampy ny Mpivady Hanam-paharetana?

 “Mila miezaka hanam-paharetana ny mpivady, isan’andro. Mety hoe tsy toetra tena ilaina ilay izy raha mbola mpitovo ianao, fa zava-dehibe kosa raha tianao ho sambatra ny tokantranonao.”—John.

 Nahoana ianao no mila manam-paharetana?

  •   Mora mahamarika ny toetra ratsin’ny vadinao ianao rehefa manambady.

     “Mora mifantoka amin’ny toetra ratsin’ny vadinao ianao, rehefa elaela ao anatin’ny fanambadiana. Lasa sarotra aminao, amin’izay, ny hanam-paharetana.”—Jessena.

  •   Rehefa tsy manam-paharetana ianao dia lasa tsy mieritreritra fa tonga dia miteny.

     “Maika loatra aho hilaza an’izay tsapako, ka lasa miteniteny foana indraindray. Raha nanam-paharetana kokoa aho, dia afaka nandinika aloha hoe tsy maintsy lazaiko ve ilay izy, dia avy eo aho mety ho tonga saina hoe tsy voatery.”—Carmen.

     Milaza ny Baiboly hoe: “Ny fitiavana mahari-po [na manam-paharetana] sy tsara fanahy.” (1 Korintianina 13:4) Ara-dalàna raha samy mampiseho faharetana ny olon-droa mifankatia. Tsy izany foana anefa no mitranga. Hoy i John, ilay voaresaka terỳ aloha: “Hoatran’ny toetra tsara rehetra ihany ny faharetana. Mora mihena ilay izy fa sarotra ampitomboina. Mila ezaka be ny mampitombo azy.”

 Ahoana no ampisehoanao hoe manam-paharetana ianao?

  •   Rehefa misy zava-mitranga tsy ampoizina.

     Ohatra: Niteny zavatra nampahatezitra anao ny vadinao. Tonga dia te hanao hoatr’izany koa ianao.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ianao tsy ho mora tezitra, fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.”—Mpitoriteny 7:9.

     Ahoana no ampisehoanao hoe manam-paharetana ianao? Miandrasa kely fa aza maika hamaly. Aza tonga dia manatsoaka hevitra hoe te handratra ny fonao na te hanambany anao ny vadinao matoa niteny an’ilay izy. Izao no lazain’ilay boky hoe Fighting for Your Marriage: “Tsy ilay zavatra notenenin’ny ankilany sy izay tiany holazaina loatra no tena misy vokany amin’ny ankamaroantsika, fa ny fomba andraisantsika an’ilay izy.”

     Na dia manao fanahy iniana hampahatezitra anao aza anefa ny vadinao, dia miezaha hanam-paharetana. Raha tsy mamaly faty mantsy ianao, dia hampilamina an’ilay disadisa izany fa tsy hanampy trotraka an’ilay izy. Milaza ny Baiboly hoe: “Maty ny afo rehefa tsy misy kitay.”—Ohabolana 26:20.

     “Raha lasa tsapanao hoe hoatran’ny fahavalonao ny vadinao, dia makà saina kely aloha ary eritrereto hoe inona no itiavanao azy. Tonga dia manaova zavatra tsara ho azy avy eo.”—Ethan.

     Eritrereto Izao:

    •  Ahoana no ataonao rehefa milaza na manao zavatra mampahatezitra anao ny vadinao?

    •  Ahoana no hampisehoanao hoe manam-paharetana kokoa ianao, raha mbola mitranga indray ilay izy?

  •   Rehefa miverimberina ilay fahadisoana.

     Ohatra: Tara foana ny vadinao, ka voatery miandry azy ianao sady leo be.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka.”—Kolosianina 3:13.

     Ahoana no ampisehoanao hoe manam-paharetana ianao? Izay hahasoa ny tokantranonao aloha eritreretina, izay vao ny anao. Eritrereto hoe: ‘Raha mitranga ny olana, hahasoa ny tokantranonay ve sa hanimba azy raha tezitra aho na miady amin’ny vadiko?’ Tadidio koa hoe ‘manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.’ (Jakoba 3:2) Midika izany fa misy zavatra mila iezahanao koa.

     “Amin’ny namako aho indraindray no manam-paharetana kokoa noho ny amin’ny vadiko. Izahay mivady ilay miaraka matetika angamba no mahatonga an’izany, satria lasa hitako daholo ny fahadisoany. Tena mila manam-paharetana anefa aho, satria mampiseho izany hoe tiako sy hajaiko ny vadiko.”—Nia.

     Eritrereto Izao:

    •  Tena manam-paharetana ve ianao rehefa manao fahadisoana ny vadinao?

    •  Ahoana no hampisehoanao hoe manam-paharetana kokoa ianao, amin’ny manaraka?