Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ampio ny Zanakao mba Tsy Hatahotra Be Rehefa Mahita Vaovao Ratsy

Ampio ny Zanakao mba Tsy Hatahotra Be Rehefa Mahita Vaovao Ratsy

 Misy vaovao ratsy foana hitantsika amin’ny tele, amin’ny telefaonina, amin’ny tablette, na amin’ny ordinatera. Matetika izy ireny no ampiarahina amin’ny video misy tsipiriany momba an’ilay zava-nitranga mihitsy.

 Ary mijery an’ireny vaovao ireny ny ankizy.

 Inona no tokony hataonao raha tsy tianao hitebiteby be ny zanakao rehefa mahita vaovao ratsy?

 Misy vokany amin’ny ankizy ve ireny vaovao ratsy ireny?

  •   Be dia be ny ankizy lasa mihorohoro rehefa mahita vaovao ratsy. Mety tsy hotenitenenin’ny ankizy amin’ny ray aman-dreniny hoe matahotra izy, rehefa avy mijery vaovao ratsy. a Mety hoe mitebiteby be anefa izy any anatiny any. Vao mainka koa aza izy hatahotra be rehefa mahita hoe manahy be koa ny ray aman-dreniny.

  •   Mety ho hafa mihitsy ny fandraisan’ny ankizy an’ireny vaovao ratsy ireny. Rehefa mahita vaovao ratsy, ohatra, ny ankizy sasany dia mety hieritreritra hoe ho tratran’ilay izy koa ny fianakaviany. Rehefa hitan’ny ankizikely miverimberina koa ny video misy vaovao mampatahotra anankiray, dia mety hieritreritra izy hoe miverimberina mitranga ilay izy.

  •   Mety tsy ho hain’ny ankizy ny hanavaka hoe manitatra ve ilay mpilaza vaovao sa tsia. Mety tsy ho fantatry ry zareo hoe mahazo vola be ireny mpilaza vaovao ireny rehefa be dia be ny olona mijery ny vaovao alefany. Mety hitarin’izy ireny, ohatra, ny vaovao anankiray mba hanaitra be na hampatahotra be, amin’izay ny olona liana, dia lasa te hijery ny vaovao alefan-dry zareo foana.

 Ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba tsy hatahotra be rehefa mahita vaovao ratsy?

  •   Aza avela hijery vaovao ratsy be loatra ny zanakao. Tsy midika akory izany hoe tsy tokony ho liana amin’ny zava-mitranga eran-tany ny zanakao. Tsy tsara anefa raha henony na hitany miverimberina eo foana ny vaovao ratsy anankiray.

     “Indraindray izahay mivady miresaka vaovao ratsy, sady amin’ny tsipiriany mihitsy. Tsy tsikaritray akory fa hay kay ny zanakay matahotra be rehefa maheno anay miresaka an’ilay izy.”—Maria.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy ny fony.”—Ohabolana 12:25.

  •   Henoy tsara ny zanakao rehefa miresaka, ary miezaha hahatakatra an’izay mahazo azy. Raha sarotra be amin’ny zanakao ny manazava an’izay tsapany momba ny zava-nitranga iray, dia asaivo ataony sarisary ilay izy. Rehefa miresaka aminy momba an’izay zavatra mampatahotra azy ianao, dia teny mora azo ampiasaina. Raha misy tsipiriany amin’ilay vaovao tsy voatery ho fantany anefa, dia aza resahina.

     “Tsy dia naninona intsony ilay zanakay vavy rehefa avy niresaka taminy izahay, sady nihaino tsara azy. Hitanay hoe tsy tena manampy an’azy ny miteny fotsiny hoe: ‘Efa hoatr’izany mihitsy ny fiainana amin’izao, dia mila mizatra an’izany isika.’”—Sarahi.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ... ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.”—Jakoba 1:19.

  •   Ampio ny zanakao mba hahay hanavaka hoe manitatra ve ilay mpilaza vaovao sa tsia. Rehefa hoe nisy olona nalaina an-keriny, ohatra, amin’ny vaovao, dia ataon’ilay mpilaza vaovao izay hieritreretan’ny mpijery hoe mety hitranga amin-dry zareo koa ilay izy. Tsy voatery ho marina anefa izany. Hazavao amin’ny zanakao hoe efa misy zavatra ataonareo mba hiarovana azy ireo tsy hisy haka an-keriny. Tadidio koa fa matetika no tsy dia fahita firy ny loza na tranga iray matoa alefa amin’ny vaovao, fa tsy hoe mateti-pitranga.

     “Ampio ny zanakao mba hahay hifehy ny fihetseham-pony. Ny zavatra eritreretina matetika no mahatonga ny fihetseham-po. Raha ampianao hieritreritra zavatra tsara foana ny zanakao, dia hilamin-tsaina ry zareo fa tsy hatahotahotra.”—Lourdes.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ny fon’ny hendry mahatonga azy ho lalin-tsaina sy handanjalanja izay teneniny.”—Ohabolana 16:23.

a Rehefa misy zavatra mampatahotra ny ankizikely, dia mety hiverina hipipỳ am-pandriana izy, na tsy hety handeha hianatra satria tsy te hisaraka amin’ny ray aman-dreniny.