Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA

Tianao Hahazo Naoty Tsara ve ny Zanakao?

Tianao Hahazo Naoty Tsara ve ny Zanakao?

 Voamarikao angamba hoe tsy mivaky loha amin’ny fianarana ny zanakao tato ho ato. Tsy mba mianatra lesona izy sady tsy manao devoara. Lasa ratsy àry ny naotiny. Tsy vitan’izay fa lasa sarotra tenenina izy. Inona no azonao atao mba hanampiana azy hahazo naoty tsara?

 Tsara ho fantatrao

 Vao mainka hiteraka olana raha terenao be izy. Efa mampiferinaina azy mantsy ny any am-pianarana, nefa mbola bedy koa izy ao an-trano. Mety handainga aminao àry izy, na hanafina rehefa mahazo naoty ratsy, na hangala-tsonia, na hingitrika. Vao mainka ho loza ny vokany!

 Tsy mahasoa azy ny hoe omemena zavatra foana. Hoy i Andrew: “Nomenay zavatra ny zanakay vavy isaky ny nahazo naoty tsara satria tianay hiezaka tsara foana izy. Lasa ilay hahazo zavatra anefa no nahamaika azy. Rehefa sendra ratsy ny naotiny, dia nalahelo be izy nefa tsy noho ilay naoty loatra, fa satria tsy nomena zavatra.”

 Tsy mety ny manome tsiny ny mpampianatra azy. Mety hieritreritra mantsy ny zanakao hoe tsy mila miezaka izy fa afaka mahazo naoty tsara foana. Mety ho lasa tia manilika fahadisoana koa izy, sady mety hanantena hoe ny hafa foana no handamina ny olana mahazo azy. Raha tsorina dia hoe tsy hiaiky ny fahadisoany mihitsy izy, nefa tena ilainy izany rehefa lehibe.

 Inona no azonao atao?

 Miezaha hanindry fo. Aza tonga dia miresaka amin’ny zanakao momba ny naotiny, raha mbola tezitra aminy ianao. Hoy ny raim-pianakaviana iray atao hoe Brett: “Andrasanay ho tony tsara aloha izahay mivady vao miresaka amin’ny zanakay. Iezahanay ho azo koa hoe inona no nahatonga ny naotiny ho ratsy. Tena misy vokany tsara ilay izy.”

 Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.”—Jakoba 1:19.

 Fantaro hoe inona no tena olana. Matetika no lasa ratsy naoty ny ankizy rehefa misy mampijaly any am-pianarana, na niova sekoly, na matahotra fanadinana, na misy olana ao an-trano, na tsy ampy torimaso, na tsy milamina tsara ny fandaharam-potoanany, na tsy mifantoka. Aza tonga dia mieritreritra àry hoe izy mihitsy no efa kamo mianatra.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Ny olona malina amin’izay ataony no hahita soa.”—Ohabolana 16:20.

 Alamino tsara ny fotoana sy ny toerana ianarany. Asio fandaharam-potoana hanaovany devoara sy hianarany lesona. Any amin’ny toerana mangina izy no asaivo manao devoara, dia aza asiana zavatra manelingelina azy (ohatra hoe tele na finday). Aza tonga dia asaina ataony indray miaraka ny devoarany fa asaivo ataony tsikelikely. Zarazarao ilay izy, dia hifantoka izy amin’izay. Hoy i Hector, raim-pianakaviana any Alemaina: “Vao fantatray hoe hanao fanadinana ny zanakay, dia tsy miandry hoe efa am-poto-moty kely izahay vao miaraka mamerin-desona, fa ataonay tsikelikely isan’andro ilay izy.”

 Toro lalan’ny Baiboly: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.”—Mpitoriteny 3:1.

 Ataovy izay hahatonga azy ho tia mianatra. Ataovy azon’ny zanakao hoe mahasoa azy dieny izao ny fianarana, dia hazoto kokoa hianatra izy. Ampianaro azy, ohatra, hoe mila mahay kajy izy, amin’izay mahay mitsitsy vola.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Miezaha hanana fahendrena, ary ataovy izay hananana fahiratan-tsaina. ... Aoka ho sarobidy aminao [izany].”—Ohabolana 4:5, 8.

 Andramo izao: Aza atao ny devoarany fa ampio fotsiny izy hanao an’ilay izy. Hoy i Andrew: “Vao hitan’ilay zanakay vavy hoe iarahanay manao ny devoarany, dia lasa tsy mety mampiasa saina izy fa miandry atoro fotsiny.” Ampianaro hanao devoara irery àry ny zanakao.