Hijery ny anatiny

Video: Fampianaran’ny Baiboly

Mamaly fanontaniana ara-baiboly ireo video fohy ato, ohatra hoe: Inona no antony namoronan’Andriamanitra ny tany? Manao ahoana ny olona rehefa maty? Nahoana isika no avelan’Andriamanitra hijaly?

Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?

Matetika no tsy azon’ny olona ny zavatra tantarain’ny Baiboly momba ny famoronana na heverin’izy ireo hoe angano. Tena marina àry ve izay lazain’ny Baiboly?

Tena Misy ve Andriamanitra?

Diniho ny porofo mampiseho hoe ara-dalàna ny olona raha mino an’Andriamanitra.

Manana Anarana ve Andriamanitra?

Antsoina hoe Mahery Indrindra, Mpamorona, ary Tompo Andriamanitra. Hita im-7000 eo ho eo ao amin’ny Baiboly anefa ny tena anarany.

Azo Atao ve ny Minamana Amin’Andriamanitra?

Efa an-jatony taona ny olona maneran-tany no te hahafantatra momba ny Mpamorona azy. Afaka manampy anao ho lasa naman’Andriamanitra ny Baiboly. Ny anarany no tsara ho fantatrao voalohany.

Avy Amin’iza ny Baiboly?

Tena azo antsoina hoe Tenin’Andriamanitra ve ny Baiboly nefa olona no nanoratra azy? Hevitr’iza no hita ao amin’izy io?

Tena Marina ve Izay Lazain’ny Baiboly?

Tokony hiavaka ny Baiboly raha Andriamanitra no nampanoratra azy.

Inona no Antony Namoronan’Andriamanitra ny Tany?

Feno zavaboary kanto eto an-tany. Mety tsara ny elanelan’ny tany amin’ny masoandro, sy ny fitongilanany, ary ny hafainganam-pandehany rehefa mihodina amin’ny tenany. Nahoana Andriamanitra no niezaka be mba hanaovana ny tany hoatr’izany?

Tena Tianao Hisy Dikany ve ny Fiainanao?

Jereo ato hoe inona no azonao atao raha te ho sambatra ianao sady tena tianao hisy dikany ny fiainanao.

Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?

Mampanantena ny Baiboly hoe ho be dia be ny olona hatsangana amin’ny maty, hoatran’i Lazarosy.

Tena Toerana Fampijaliana Olona ve ny Afobe?

Tsy hampijaly ny olona noho ny fahadisoana nataony taloha mihitsy Andriamanitra, satria milaza ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana.”

Jesosy Kristy ve no Andriamanitra?

I Jesosy ihany ve no Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra sa hafa mihitsy?

Inona no Antony Nahafatesan’i Jesosy?

Efa fantatrao angamba hoe maty noho ny fahotantsika i Jesosy. Sorona iray ve anefa dia afaka mamonjy olona an-tapitrisany?

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Ny Fanjakan’Andriamanitra no tena noresahin’i Jesosy nandritra ny fanompoany. Efa hatry ny ela koa ny mpanara-dia azy no nivavaka mba ho tonga io Fanjakana io.

Nanomboka Nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra Tamin’ny 1914

Nahita fahitana tao amin’ny nofy ny mpanjaka mahery anankiray, efa ho 2 500 taona mahery izay. Tanteraka amin’izao izy io.

Niova ny Fiainana Nanomboka Tamin’ny 1914

Hita hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly momba ny “andro farany”, rehefa jerena ny zava-mitranga eran-tany sy ny toetran’ny olona nanomboka tamin’ny 1914.

Avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza Araka ny Natiora?

Hazavain’ny olona roa tratran’ny loza araka ny natiora hoe inona no nianaran’izy ireo tao amin’ny Baiboly.

Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly?

Misy valiny mampahery sy mahafa-po ao amin’ny Baiboly.

Eken’Andriamanitra ve ny Fivavahana Rehetra?

Be dia be ny olona mieritreritra hoe tsy mampaninona izay fivavahana arahinao. Marina ve izany?

Tian’Andriamanitra ve Raha Mampiasa Sary Isika Rehefa Mivavaka?

Mety hanampy antsika ho akaiky an’ilay Andriamanitra tsy hita maso ve izy ireny?

Henoin’Andriamanitra ve ny Vavaka Rehetra?

Ahoana raha fitiavan-tena fotsiny no mahatonga ny olona iray hivavaka? Ahoana indray raha mampijaly vady ny lehilahy iray, dia avy eo mangata-pitahiana amin’Andriamanitra? Henoin’Andriamanitra ve ny vavaka hoatr’izany?

Ahoana no Fiheveran’Andriamanitra ny Fanambadiana?

Tian’Andriamanitra ho sambatra ianareo mivady. Misy torohevitra tsara efa nanampy mpivady maro ao amin’ny Baiboly.

Fahotana ve ny Mijery Sary Vetaveta?

Misy hoe “sary vetaveta” ve ao amin’ny Baiboly? Dia ahoana no ahalalana ny hevitr’Andriamanitra?