Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Ditin’ny Lailosy

Ny Ditin’ny Lailosy

 Efa ela ny dokotera mpandidy no nila lakaoly azo ampiasaina amin’ny fandidiana sy hitsaboana ny ratra na ny tataka amin’ny vatana. Tsy azo ampiasaina any anaty vatana mantsy ny lakaoly maro fampiasan’ny olona. Mankarary izy ireny ary mihamafy rehefa maina sady tsy mety miraikitra amin’ny faritra mando amin’ny vatana. Nahita vahaolana ihany ny manam-pahaizana rehefa nandinika ny ditin’ny lailosy. a

 Diniho izao: Rehefa matahotra ny lailosy, dia mamoaka dity miraikitra be mba hahafahany mifikitra tsara na dia amin’ny ravinkazo mando aza. Miaro azy izany ary ataony miforitra ny vatany avy eo.

 Nandinika an’ilay dity ny mpikaroka ary hitan’izy ireo hoe inona avy no mahatonga azy io ho lakaoly voajanahary mety tsara. Misy zavatra simika mampiraikitra, ohatra, ao amin’ilay dity ary misy hery misintona. Rehefa miraikitra eo amin’ny toerana iray ny lailosy dia miditra any amin’ilay faritra iraiketany ny ditiny. Rehefa tratran’ny tsindry mafimafy koa ilay dity dia tsy simba. Nanamboatra fitaovana maka tahaka an’io dity io ny mpikaroka, ary nahavita lakaoly mafy lavitra noho ny karazana lakaoly fampiasan’ny mpitsabo, sady afaka miraikitra amin’ny taova mbola velona. Misy milaza hoe “miraikitra amin’ny taova, hoatran’ny taola-malemy miraikitra amin’ny taolana”, ilay dity.

 Mino ny manam-pahaizana hoe mety hampiasa an’io lakaoly io foana amin’izay ny mpandidy fa tsy hampiasa kofehy sy vy kely intsony rehefa hanidy tataka amin’ny vatana. Mety ho azo ampiasaina hitsaboana taola-malemy ilay izy, na hametrahana fitaovana fitsaboana eo amin’ny toerana tena ilana azy ao amin’ny vatana. Efa hita tamin’ny andrana natao hoe mety tsara ilay lakaoly mba hanentsenana lavaka amin’ny fon-kisoa sy hanampenana lavaka amin’ny atin’ny voalavo.

 Matetika ny mpahay siansa no mahita vahaolana mety tsara rehefa mandinika ny zavaboary. Hoy i Donald Ingber, talen’ilay ivon-toerana nanamboatra an’ilay lakaoly: “Mila fantatra hoe inona no zavaboary tokony hodinihina dia avy eo ianao mila mahita hevitra tsara rehefa mandinika azy.”

 Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny ditin’ny lailosy, sa nisy namorona?

a Arion subfuscus no anarana siantifika iantsoana azy.