Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY SIGN LANGUAGE

Hitsitsy Toerana Fitehirizana ao Amin’ny Fitaovanao

Hitsitsy Toerana Fitehirizana ao Amin’ny Fitaovanao

Te hitsitsy toerana fitehirizana ao amin’ny fitaovanao ve ianao ary te hampiasa tsara ny fitaovanao na dia kely aza ny toerana fitehirizana ao amin’ilay izy? Ampiasao àry ireto zavatra mampiavaka an’ilay programa ireto:

 Fidio ny hatsaran’ilay video

Rehefa maka video ianao, dia tsy maintsy fidinao aloha ny hatsarany. Hitsitsy toerana fitehirizana ao amin’ny fitaovanao ianao raha ambany kokoa ny kalitao fidinao. Raha efa ilay kalitao ambony no nalainao dia fafao ilay video. Avereno alaina avy eo ilay izy dia ataovy an’ilay kalitao ambany kokoa.

Soso-kevitra: Raha efijery kely no ampiasaina, ohatra hoe telefaonina, dia efa tsara matetika ny fivoakan’ny sary na dia kalitao ambany kokoa aza ilay video, ohatra hoe 360p. Raha ordinatera na tele indray no ampiasaina, dia tsara kokoa raha kalitao ambony kokoa no alaina, ohatra hoe 720p.

 Jereo mivantana ilay video

Raha kely ny toerana fitehirizana ao amin’ny fitaovanao, dia andramo jerena mivantana ny video sasany fa aza alaina. Tsy maintsy mampiasa Internet anefa ianao raha te hanao an’izany.

  • Tsindrio ilay video raha te hijery an’ilay izy mivantana ianao. Mety foana na aiza na aiza tsindrianao.

  • Raha mbola any aoriana kokoa ilay video vao hojerenao, nefa ianao amin’izay mety tsy hanana Internet, dia tsindrio ilay bokotra hoe Haka. Raha eo amin’ilay fizarana hoe Baiboly ianao, dia tsindrio elaela (na tsindrio ny ankavanan’ny souris) eo amin’ilay toko. Hiseho avy eo ny lisitra misy ny kalitaon’ilay video.

 Fafao ny video sasany nalainao

Mety hisy video tsy dia ampiasainao intsony ao amin’ny fitaovanao rehefa mandeha ny fotoana. Araho ireto dingana ireto raha te hahita sy hamafa an’ireo video tsy ilainao intsony ianao:

  1. Midira ao amin’ilay hoe Publications na Multimédia, dia tsindrio ilay hoe Téléchargé.

  2. Tsindrio ilay sarina flesy miakatra sy midina dia mifidiana iray. Raha ilay Taille décroissante no fidinao, dia izay video mavesatra indrindra no hiseho eo amin’ny farany ambony. Raha ilay Rarement consulté indray no fidinao, dia izay video zara raha jerenao no hiseho eo amin’ny farany ambony.

  3. Raha te hamafa video ianao, dia tsindrio ilay sarina teboka telo dia avy eo ilay hoe Supprimer.

 Apetraho any an-toeran-kafa ny video alainao

Afaka mitsitsy toerana fitehirizana ianao amin’ny fitaovana sasany satria avelany hitahiry video ao anaty carte SD na disque dur hafa.

  1. Midira ao amin’ilay hoe Paramètres.

  2. Tsindrio ilay hoe Télécharger les fichiers vidéo dans.

  3. Fidio izay toerana tianao hitehirizana azy.

Manomboka izao dia ho voatahiry ao amin’io toerana io daholo izay video alainao. Tsy hifindra ao kosa anefa izay video efa nalainao taloha.

Raha Windows ilay fitaovanao, dia mety tsy hiseho eo amin’ny lisitry ny safidy anananao ny disques durs ao anatiny. Raha tsy ao miseho eo amin’ilay lisitra ilay toerana tianao hitehirizana azy, dia araho ireto dingana ireto:

  1. Sokafy ny Explorateur de fichiers dia fidio ilay fizarana hoe Affichage.

  2. Tsindrio ilay hoe Volet de navigation, dia ataovy azo antoka hoe misy marika kely eo amin’ilay hoe Afficher les bibliothèques.

  3. Avoahy ilay lisitra kely eo ambanin’ilay hoe Bibliothèques. Tsindrio ny ankavanan’ny souris eo amin’ilay hoe Vidéos dia fidio ilay hoe Propriétés.

  4. Ampidiro eo amin’ilay lisitra eo ambanin’ilay hoe Emplacement des bibliothèques ny toerana tianao hitehirizana video.