Hijery ny anatiny

Sarin’ilay trano misy rihana telo any Angola rehefa vita ny fanavaozana

25 APRILY 2022
ANGOLA

Trano Iray Hohavaozina mba ho Fanampin’ny Betelan’i Angola

Trano Iray Hohavaozina mba ho Fanampin’ny Betelan’i Angola

Amin’ny Jona 2022 no hanomboka ny fanavaozana ny tranobe iray misy rihana telo, izay hatao trano fonenana sy birao fanampiny ho an’ny Betelan’i Angola. Efa 207 mantsy izao ny mpianakavin’ny Betela any, ka tsy antonona intsony ilay Betela vita tamin’ny 2003.

Tena ilaina ilay trano fanampiny satria trano hofana izao no ipetrahan’ny mpianakavin’ny Betela sasany. Novidin’ireo rahalahy àry ilay trano tamin’ny Desambra 2021. Tsy lavitry ny Betela no misy azy, fa mandeha tongotra kely fotsiny dia tonga.

Hisy efitrano 57 sy birao 60 ao amin’ilay trano rehefa vita ny fanavaozana. Hasiana toerana azo atao birao ny efitrano tsirairay. Ny faritra misy ny birao indray sady hasiana efitrefitra no hasiana toerana malalaka tsy misy rindrina manasaraka. Tafiditra amin’ilay fanavaozana koa ny fanamboarana efitra maromaro azo ivoriana sy azo ampiasaina amin-javatra isan-karazany. Azo esorina sy averina apetaka ny rindrina any amin’ny faritra misy ny birao, sady azo ovaovana arakaraka izay ilana azy ny paoziny.

Amin’ny Febroary 2024 no eritreretina hoe hifindra ao amin’ilay trano vaovao ireo mpianakavin’ny Betela mipetraka amin’ny trano hofana.

Hoy i Samuel Campos, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Angola: “Rehefa nila trano fanampiny izahay, dia nataonay antom-bavaka ilay izy. Niara-niasa tamin’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana Eran-tany koa izahay. Tena valim-bavaka avy amin’i Jehovah ny nahazoana an’io trano io sy ny fanavaozana azy.”

Misy mpitory 160 000 mahery izao any Angola. Olona 400 000 mahery no nanatrika Fahatsiarovana tamin’ny taon-dasa, ary 200 000 mahery ny isan’ny fampianarana Baiboly. Matoky isika fa hotahin’i Jehovah ny fanavaozana an’io tranon’ny sampana vaovao io, ka vao mainka handroso ny asan’ilay Fanjakana.​—1 Tantara 29:16.