Hijery ny anatiny

7 MEY 2015
ANGOLA

Manampy An’ireo Tra-boina any Angola ny Vavolombelon’i Jehovah

Manampy An’ireo Tra-boina any Angola ny Vavolombelon’i Jehovah

Efitrano Fanjakana any Lobito, feno ranom-potaka mandrevo, mirefy 70 santimetatra.

LUANDA, Angola—Nisy oram-be nahatonga tondra-drano tany amin’ny faritr’i Benguela, any amin’ny 500 kilaometatra miala an’i Luanda renivohitra, nanomboka tamin’ny 11 Martsa 2015. Trano 119 no rava ary 85 ny olona maty. Tsy nisy Vavolombelona maty, araka ny tatitra voaray avy amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Angola. Nisy trano 11 an’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa rava na simba be. Tratran’ny tondra-drano ihany koa ny Efitrano Fanjakana na toeram-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray any Lobito.

Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky ny Vavolombelona ny maraina taorian’ilay oram-be, mba hamantatra ny zavatra simba sy handamina ny fanampiana an’ireo tra-boina. Sady nanampy ny mpiray finoana aminy ny Vavolombelona no nanampy ny olon-kafa tao amin’ilay faritra ihany koa. Nisy mpiasa an-tsitrapo nanala ny ranom-potaka mandrevo nirefy 70 santimetatra, sy nanamboatra izay simba tao amin’ilay Efitrano Fanjakana any Lobito, mba hahafahana mandamina an’ireo fivoriana manokana ny faran’ny herinandro taorian’ilay oram-be. Niala tany Luanda ny solontenan’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Angola, ary nankany amin’ireo fivoriana ireo mba hampionona sy hampahery ny Vavolombelon’i Jehovah.

Vavolombelona niasa an-tsitrapo mba hanadio sy hanamboatra an’ilay Efitrano Fanjakana simba any Lobito.

Hoy i Todd Peckham, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Angola: “Miara-ory amin’ireo miezaka miarina amin’iny tondra-drano iny izahay. Mbola hanara-maso ny asan’ny komitin’ny vonjy rano vaky ny biraon’ny sampan’i Angola, ary mbola hanampy ny fiaraha-monina.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Angola: Todd Peckham, tel. +244 222 460 192