Hijery ny anatiny

Rahalahy sy anabavy manao fanompoana samihafa any Botswana

19 FEBROARY 2024
BOTSWANA

Efa 50 Taona Izay no Nalalaka ny Asantsika any Botswana

Efa 50 Taona Izay no Nalalaka ny Asantsika any Botswana

Feno 50 taona tamin’ny 20 Febroary 2024 ny nanekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Botswana. Imbetsaka no voarara sy voasakantsakana ny asantsika tany, talohan’ny 1974, ka tsy maintsy niaritra an’izany ireo rahalahintsika.

Rahalahy sy anabavy miara-maka sary, tamin’ny fivoriamben’ny faritra tany Mahalapye, any Botswana, tamin’ny 1965

Tamin’ny 1929 no notorina voalohany tany Botswana ny vaovao tsara momba an’ilay Fanjakana. Béchuanaland no niantsoana an’i Botswana tamin’izany. Nisy korontana ara-politika nifandray tamin’ny Ady Lehibe II anefa tany tamin’ny 1941, dia noraran’ny fitondrana ny asantsika. Tsy navelany hampiely boky ara-baiboly koa isika. Nesorina ihany anefa ireny fandrarana ireny tamin’ny 1959, dia mba tsy niatrika olana firy ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nanohy ny asa fitoriana.

Nisy lalàna vaovao tamin’ny 1972 nitaky hoe mila soratana ho ara-panjakana daholo ny fikambanana nanerana an’i Botswana. Nolavina anefa ireo rahalahintsika tany rehefa niezaka nanoratra ny fikambanantsika ho ara-panjakana. Nilaza tamin-dry zareo mihitsy aza ny fanjakana hoe ao anatin’ny 20 andro, dia tsy maintsy atsahatra tanteraka ny asantsika. Voarara indray ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Botswana. Izay mbola tratra nitory na nanatrika fivorian’ny fiangonana dia nety ho voasazy higadra hatramin’ny fito taona. Nivory mangingina foana anefa ireo rahalahintsika tany. Natao tany amin’ny toerana mitokana tany anaty kirihitra, ohatra, ny fivoriana indraindray. Hoy ny Rahalahy Tommy Maruping, momba an’ireny fotoana ireny: “Vao mainka izahay tapa-kevitra be hoe hitory sy hivory, na dia teo aza ilay fandrarana. Natoky izahay hoe hanohana anay foana i Jehovah, ary dia izany tokoa no nataony.”

Mpanatrika an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2023 hoe “Manàna Faharetana”!, tany Gaborone, any Botswana

Niova hevitra indray anefa ny fitondrana tamin’ny 20 Febroary 1974, dia navelany hosoratana ara-panjakana hoe fikambanana ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa ho 2 400 izao ny mpitory any Botswana, ary manompo any amin’ny fiangonana 42 izy ireo. Misy amin’ireto fiteny ireto izao ny fivoriana any: Tenin’ny tanana any botswana, anglisy, kalanga (Botswana), setswana, ary shona. Voatendry ho misionera tany Botswana ny Rahalahy Hugh Cormican rehefa afaka kelikely ilay fandrarana. Hoy izy: “Mihamatanjaka ara-panahy foana ireo rahalahy sy anabavy, hatramin’izao. Afaka mivory sy manatrika fivoriambe an-kalalahana izahay, dia tsapanay hoe tena miray saina ny vahoakan’i Jehovah.”

Nahavita niaritra ireo rahalahy sy anabavintsika any Botswana. Vao mainka izany manaporofo amintsika hoe hotahin’i Jehovah foana ny mpanompony tsy mivadika, rehefa miezaka “mankatò ny didiny.”​—1 Jaona 5:3.