Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Paulos Eyasu sy Isaac Mogos ary Negede Teklemariam, izay migadra any Érythrée nanomboka tamin’ny 17 Septambra 1994

17 SEPTAMBRA 2019
ÉRYTHRÉE

Efa 25 Taona Nigadrana Tany Érythrée

Efa 25 Taona Nigadrana Tany Érythrée

I Érythrée no anisan’ny firenena manenjika mafy ny Vavolombelon’i Jehovah tato ho ato. Feno 25 taona tamin’ny 17 Septambra 2019 ny nigadran’i Paulos Eyasu sy Isaac Mogos ary Negede Teklemariam. Rahalahy 39 sy anabavy 10 koa no migadra, ankoatra azy ireo.

Tsy mbola nisy nampangaina na niakatra fitsarana na nomelohina izy ireo na ny iray aza. Tsy fantatr’izy ireo hoe rahoviana izy ireo no hafahana. Rahalahy efatra no efa maty tany am-pigadrana ary telo no maty taoriana kelin’ny nanafahana azy satria mafy loatra ny zavatra niaretany tany am-ponja.

Nihamafy ny fanenjehana tany Érythrée, nanomboka tamin’ny 25 Oktobra 1994, herintaona sy tapany teo ho eo taorian’ny nahazoany fahaleovan-tena tamin’i Etiopia. Nilaza ilay filoha vaovao tamin’izay hoe tsy mizaka ny zom-pirenena any intsony izay Vavolombelon’i Jehovah teratany any. Tsy nety nanao politika mantsy izy ireo ka izany no tena antony. Nesorin’io filoha io koa ny zo fototra amin’ny maha olom-pirenena azy ireo. Anisan’ny fameperana atao amin’izy ireo, ohatra, ny hoe tsy afaka mamita ny fianarany hatramin’ny farany ny Vavolombelon’i Jehovah, tsy afaka mitantana orinasa, ary tsy mahazo mivoaka an’ilay firenena.

Niaiky ny fikambanana lehibe mpiaro ny zon’olombelona, tato ho ato, fa tena tsy raharahain’i Érythrée mihitsy ny fitsipika momba ny fahalalahana izay eken’ny ankamaroan’ny firenena. Hitan’izy ireo, ohatra, hoe voahitsakitsaka ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah namantsika. Tsy mety manaraka ny tenin’ireo fikambanana ireo anefa i Érythrée.

Jereo ilay hoe “TATITRA MANOKANA: Ny Fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any Érythrée

Mbola hanohy hampahafantatra ny zava-misy any Érythrée amin’ny fitondram-panjakana sy ny manam-pahefana hafa foana isika. Matoky isika hoe i Jehovah no Mpanampy sy ‘vatolampy fialofana’ ho an’ny mpiara-manompo amintsika any, satria manam-pinoana sy be herim-po izy ireo na dia enjehina mafy aza.—Salamo 94:22.