Hijery ny anatiny

19 SEPTAMBRA 2019
GABON

Ezaka Manokana Tany Gabon

Ezaka Manokana Tany Gabon

Nandamina ezaka manokana ny sampan’i Cameroun mba hitoriana any amin’ireo faritany tsy voasa matetika any Gabon. Natao tamin’ny 1 Jona ka hatramin’ny 31 Aogositra 2019 ilay izy. Ny hitory amin’ireo tanàna folo be mponina indrindra no tanjona tamin’izay, izany hoe any Franceville, Koulamoutou, Lambaréné, Libreville, Makokou, Moanda, Mouila, Oyem, Port-Gentil, ary Tchibanga. Nandray anjara tamin’io ezaka manokana io koa ny mpitory 400 avy any Belzika, Etazonia, Frantsa, ary Kanada.

Misy mponina roa tapitrisa mahery any Gabon. Ny 80 isan-jaton’izy ireo no voalaza fa mampiasa ny fiteny ofisialy any, izany hoe ny teny frantsay, ary voalaza fa miteny fang koa ny 30 isan-jato, satria io no fitenin-drazany. Ireo fiteny roa ireo àry no nampiasaina nandritra an’ilay ezaka manokana.

Misy olona iray liana amin’ny Baiboly any Bissegue, any Libreville. Miteny fang izy ary izao no nolazainy rehefa nitoriana: “Izay aho vao naheno ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny fiteniko!”

Nilaza ny anabavy iray nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana hoe: “Hita tamin’ity ezaka manokana ity fa tena mifankatia sy miray saina ny mpiara-manompo ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Tsara fanahy, tia mandray vahiny, malala-tanana, mampahery, ary tena be fitiavana ny ranadahy sy rahavavy. Mampahatsiahy ahy an’ilay tenin’i Paoly tamin’ny fiangonan’i Filipy izany. Hita mihitsy isika hoe ‘miray saina, miray fitiavana, miray fo, ary miray hevitra.’”—Filipianina 2:2.