Hijery ny anatiny

Mpanatrika an’ilay fivoriambe 2023 hoe “Manàna Faharetana”! ary fandaharana amin’ny teny kreôla jamaikanina tany Old Harbour, Jamaika (ankavia) sy amin’ny teny alemà Pennsylvanie tany Pittsburgh, Pennsylvanie, Etazonia (ankavanana)

18 OKTOBRA 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Sambany no Nisy Fivoriambe Amin’ny Teny Kreôla Jamaikanina sy Alemà Pennsylvanie

Sambany no Nisy Fivoriambe Amin’ny Teny Kreôla Jamaikanina sy Alemà Pennsylvanie

Tamin’ny Jolay 2023 no sambany nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra natrehina mivantana amin’ny teny kreôla jamaikanina sy alemà Pennsylvanie. Nahatratra 2 000, raha atambatra, ny mpanatrika an’ilay izy. Nankafy an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra nandrasany hatry ny ela hoe “Manàna Faharetana”!, tamin’ny tenin-drazany ry zareo.

Kreôla Jamaikanina, Jamaika

Anabavy miteny kreôla jamaikanina, mitsena ny mpanatrika miaraka amin’ny soratra hoe “Tonga soa!”

Anglisy no fiteny ofisialy any Jamaika. Miteny kreôla jamaikanina koa anefa ny ankamaroan’ny mponin’io nosy io. Avy any Royaume-Uni sy Etazonia ny sasany tamin’ireo mpanatrika 1 700. Tao amin’ny Marlie Technology Park, ao Old Harbour, any Jamaika, no nanaovana an’ilay fandaharana, tamin’ny 14 ka hatramin’ny 16 Jolay 2023. Nisy 12 no natao batisa.

Faly erỳ ireo mpiara-manompo amintsika miteny kreôla jamaikanina nandre ny fivoriambe voalohany amin’ny tenin-drazany. Nilaza ny Ranabavy Tenesha Gordon hoe: “Nanganohano aho rehefa nanomboka ny fandaharana ka niarahaba ny mpanatrika tamin’ny teny kreôla jamaikanina ilay ranadahy teo amin’ny sehatra. Tsy nampino aho izay reko. Satriko tsy hifarana mihitsy ilay izy!”

Alemà Pennsylvanie, Etazonia

Mpanatrika fivoriambe miaraka amin’ny soratra hoe “Tonga Soa Amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Voalohany Amin’ny Teny Alemà Pennsylvanie!”

Olona 400 000 eo ho eo any Kanada sy Etazonia no miteny alemà Pennsylvanie. Ny Amish sy ny Menonita mipetraka any ambanivohitra no tena mampiasa an’io tenim-paritra alemà io. Rahalahy sy anabavy avy amin’ny fiangonana dimy sy antoko-mpitory iray miteny alemà Pennsylvanie no niainga avy tany amin’ny faritra samihafa mba hanatrehana an’ilay fivoriambe. Maherin’ny 200 ny mpanatrika tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’i Coraopolis any Pittsburgh, Pennsylvanie, any Etazonia, nanomboka tamin’ny 7 ka hatramin’ny 9 Jolay 2023.

Notezaina tamin’ny fiteny alemà Pennsylvanie ny Rahalahy David Miller. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny teny anglisy niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, 25 taona lasa izay. Tsy nieritreritra mihitsy izy hoe hisy fiangonana miteny alemà Pennsylvanie any aoriana any, mainka moa ny hoe fivoriambe iray manontolo no hatao amin’ny tenin-drazany. Hoy izy: “Nahafinaritra be ilay izy! Nifantoka be tamin’ilay fandaharana aho. Tonga dia nilentika tao am-poko ilay fampianarana satria tamin’ny fiteniko ilay izy.”

Miara-paly amin’ireo mpiara-manompo amintsika nanatrika an’ireo fivoriambe manan-tantara ireo isika. Mankasitraka an’i Jehovah isika satria mampiray antsika izy no sady mamela ny olona rehetra hianatra ny fiteny madio.​—Zefania 3:9.