Hijery ny anatiny

7 NOVAMBRA 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Zato Taona Izay no Namoahana Ny Tilikambo Fiambenana Amin’ny Fiteny Portogey

Zato Taona Izay no Namoahana Ny Tilikambo Fiambenana Amin’ny Fiteny Portogey

Tonga tany Brezila tamin’ny 1923 ny Rahalahy George Young mba hanangana biraon’ny sampana ary handamina ny asa fitoriana any. Tamin’izy tonga, dia mbola tamin’ny fiteny anglisy ihany no namoahana an’ilay gazety hoe Ny Tilikambo Fiambenana Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy (Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah no iantsoana azy amin’izao), tany Brezila. Nanao zavatra haingana àry ny Rahalahy Young mba ho voadika tamin’ny fiteny portogey Ny Tilikambo Fiambenana, sady mba ho azo atao pirinty tany an-toerana ihany. Vokatr’izany, dia nivoaka tamin’ny Oktobra 1923 Ny Tilikambo Fiambenana voalohany amin’ny fiteny portogey. Telo taona taorian’izay, dia nandefa milina fanontam-pirinty ho an’ny biraon’ny sampan’i Brezila ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Brooklyn, any New York, Etazonia. Nanomboka nanao pirinty gazety àry ny rahalahy tany amin’ny sampan’i Brezila.

Ankavia: Milina fanontam-pirinty voalohany nampiasaina tany amin’ny sampan’i Brezila. Ankavanana: Ny Tilikambo Fiambenana voalohany natao pirinty tao amin’ny sampan’i Brezila

Ny Tilikambo Fiambenana voalohany tamin’ny fiteny portogey navoaka tany Portogaly tamin’ny 1925

Tamin’ny 1925, izany hoe roa taona taorian’ny nivoahan’ny Tilikambo Fiambenana voalohany tany Brezila, no nanomboka nandika Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny portogey eoropeanina ny rahalahy tany Portogaly. Nihamafy foana anefa ny fanenjehana ny Vavolombelona tany Portogaly tamin’ny 1933, rehefa lasa mpitondra ny mpanao didy jadona iray. Tsy ela àry dia nijanona ny asa fandikan-teny tany Portogaly. Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny portogey nivoaka tany Brezila ihany no nampiasain’ny rahalahy sy anabavy tany Portogaly nandritra ny am-polony taona maro taorian’izay. Hoy ny anabavy iray nipetraka tany Portogaly tamin’izany fotoana izany: “Nifidy ny hampifantoka ny foko sy ny saiko tamin’ilay hafatra aho, fa tsy tamin’ny fitsipi-pitenenana na ny hevi-teny tsy mitovy. Tena velom-pankasitrahana an’ireo rahalahy brezilianina aho satria nanome anay boky sy gazety amin’ny fiteny portogey ry zareo rehefa sarotra taminay ny nahazo an’izany tamin’ny fiteninay taty Portogaly.”

Rehefa natambatra ho boky iray ihany ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny fiteny anglisy tamin’ny 1961, dia afaka nandika azy io koa ny fiteny enina hafa, anisan’izany ny teny portogey. Ny hampiasa voambolana mora azon’ny olona mipetraka any amin’ny firenena rehetra mampiasa teny portogey, no tanjon’ny ekipa mpandika teny tany Brezila, na dia sarotra aza izany. Io torolalana io foana no nampiharina nandritra ny taona maro taorian’izay, rehefa nandika Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny portogey. Tamin’ny 2017 anefa dia nekena mba hadika amin’ny fiteny portogey any Brezila sy portogey any Portogaly Ny Tilikambo Fiambenana.

Manaraka ny fihodin’ny famantaranandro, miainga avy any ambony havia: Rahalahy sy anabavy mizara ny vaovao tsara amin’ny alalan’ny Tilikambo Fiambenana any Angola, Brezila, Portogaly ary Mozambika

Misy 1,2 tapitrisa izao ny mpitory miteny portogey eran-tany, ary misy 260 tapitrisa eo ho eo ny olona miteny portogey. Samy afaka mandray soa avy amin’ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteniny avy ry zareo. Mivavaka isika mba hanohy hianatra “momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra” ry zareo sy ny olon-kafa maro be maneran-tany.​—Asan’ny Apostoly 2:11.