Hijery ny anatiny

Rahalahy sy anabavy manazava ny teknika fitsaboana solon’ny fampidiran-dra, tamin’ilay Fihaonam-ben’ny Manam-pahaizana Momba ny Fandidiana natao tany Roma

27 JONA 2019
ITALIA

Mahaliana ny Dokotera any Italia ny Fitsaboana Solon’ny Fampidiran-dra

Mahaliana ny Dokotera any Italia ny Fitsaboana Solon’ny Fampidiran-dra

Nitsidika ny tranohevantsika ny manam-pahaizana momba ny fitsaboana, nandritra ny fihaonam-be SIAARTI tany Palerme

Betsaka ny dokotera nankasitraka ny ezaka nataon’ny fandaminantsika mba hanazavana amin’ny olona ny teknika fitsaboana sy fandidiana hialana amin’ny fampidiran-dra. Mandray anjara amin’io ezaka maneran-tany io ny Sampan-draharahan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly (Italia), ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Roma. Natao tamin’ny 10 ka hatramin’ny 13 Oktobra 2018 tao Palerme, any Sisila, ny Kongresy Nasionalin’ny Mpitsabo Italianina Mpanao Fanatoranana, Fanadontoana, Famelomana Aina, ary Mpanara-maso Akaiky ny Marary Mafy (SIAARTI). Nanangana tranoheva tao amin’io kongresy io ny solontenan’ny Sampan-draharahan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly (Italia) sy ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Nanao fampirantiana tao amin’ny Fihaonam-ben’ny Manam-pahaizana Momba ny Fandidiana koa izy ireo taorian’izay. Natao tao amin’ilay toerana antsoina hoe “La Nuvola”, any Roma, izy io.

Mety tsara ireny fihaonam-be ireny satria dokotera maro indray miaraka no azo omena ny fanazavana farany momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra. Anestezista 2800 no nanatrika an’ilay tany Palerme. Mpandidy 3500 kosa no nanatrika an’ilay tany Roma, ary voalaza hoe io no fihaonam-ben’ny mpandidy be mpanatrika indrindra tany Italia, hatramin’izay. Nanatrika tao koa ny solontena avy amin’ny ivon-toeram-pitsaboana malaza isan-karazany, anisan’izany ny mpikambana rehetra ao amin’ny fikambanan’ny Italianina mpandidy sy ny avy ao amin’ny Italy Chapter ao amin’ny American College of Surgeons. Nanohana an’io fihaonam-be io ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny andrim-panjakana hafa.

Nitsidika ny tranohevantsika tao Palerme i Vincenzo Scuderi, anestezista ao amin’ny Hopitaly Policlinico any Catane, any Sisila. Tsy maintsy nodidiany haingana ny Vavolombelon’i Jehovah iray, tamin’ny 18 Janoary 2019, satria tataka ny mpanelirà lehibe tao amin’io marary io. Vitany soa aman-tsara ilay fandidiana tena sarotra na dia tsy nampidirana ra aza ilay marary. Hoy ny Dr. Scuderi: “Nanampy be anay [ilay tranohevanareo] tamin’ny Kongresy SIAARTI 2018. Tena nilainay mihitsy ny antontan-taratasy misy fanazavana nomenareo.”

Dokotera 5000 mahery izao any Italia no manaiky hitsabo sy handidy Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fomba tsara sy azo antoka, nefa tsy hampiditra ra. Vavolombelon’i Jehovah 16000 eo ho eo isan-taona no mahazo fitsaboana hoatr’izany, any Italia.