Hijery ny anatiny

Nivory niaraka tamin’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena Miaro ny Zon’olombelona any Korea ny solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandinika momba ny fanompoana sivily ao amin’ilay tany izy ireo. Nanao fanambarana mba hamahana an’ilay olana ilay vaomiera, taorian’izay

27 JANOARY 2022
KOREA ATSIMO

Mangataka ny Hanatsarana ny Fanompoana Sivily ny Vaomieram-pirenena Miaro ny Zon’olombelona any Korea

Mangataka ny Hanatsarana ny Fanompoana Sivily ny Vaomieram-pirenena Miaro ny Zon’olombelona any Korea

Nanao fanambarana ny manam-pahefana iray momba ny zon’olombelona any Korea Atsimo hoe tsy mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ny fanompoana sivily any amin’io tany io.

Namoaka filazana tao amin’ny tranonkalan-dry zareo Atoa Song Doo-hwan, filoha vaovaon’ny Vaomieram-pirenena Miaro ny Zon’olombelona any Korea, a tamin’ny 2 Desambra 2021. Nilaza izy hoe mila ovana ny fomba fanaovana fanompoana sivily any amin’ilay tany. Nanomboka nanisy fanompoana sivily i Korea Atsimo, tamin’ny 26 Oktobra 2020.

Izao no anisan’ny noteneniny: “Marina hoe nanisy fanompoana sivily isika taorian’ilay fanapahan-kevitry ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana tamin’ny 2018. Tena manaiky anefa aho hoe mila hatsaraina ilay izy mba hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ...”

Nivory niaraka tamin’ny solontena avy amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Korea Atsimo sy avy amin’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Azia sy Pasifika (APAJW) Atoa Song, tamin’ny 23 Novambra 2021. Taorian’izay izy no namoaka an’io filazana io. Nisy tatitra nomanin’ny APAJW nomen’ireo rahalahy an’Atoa Song. Ny lohateniny hoe “Fanompoana Sivily any Korea Atsimo 2021.”

Hazavain’ilay tatitra hoe tsy mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ny fanompoana sivily any Korea Atsimo. Avo roa heny noho ny fanaovana miaramila ny faharetany, satria telo taona be izao. Miaina hoatran’ny gadra koa izay manao an’ilay fanompoana sivily. Any am-ponja izao no miasa izay olona tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Tsy mahazo mivoaka ny faritry ny fonja anefa izy ireo mandritra ny volana voalohany iasany ao. Afaka mivoaka ihany izy ireo aorian’izay raha mahazo alalana, nefa tsy maintsy miverina alohan’ny amin’ny 9:30 alina.

Efa mandinika ny fangatahana nataon’ireo manao fanompoana sivily izao ny Vaomieram-pirenena Miaro ny Zon’olombelona any Korea. Tsy manana fahefana hanova ny lalàna io vaomiera io, nefa afaka manome soso-kevitra an’ireo mpanao lalàna.

Mampahery antsika ny mahita hoe manam-pinoana sy tsy mivadika ireo rahalahintsika any Korea Atsimo. Matoky isika fa hanohana azy ireo i Jehovah.​—Salamo 55:22.

a Fikambanana miaro ny zon’olombelona, naorina tamin’ny 2001, ny Vaomieram-pirenena Miaro ny Zon’olombelona any Korea.