Hijery ny anatiny

Rahalahy sy anabavy nanampy tamin’ny fanavaozana ny Betelan’i Korea

7 AOGOSITRA 2023
KOREA ATSIMO

Vita ny Fanavaozana ny Betelan’i Korea

Nampiofana Mpiasa An-tsitrapo ho Vonona Hanao Asa Fanorenana Eran-tany Ilay Tetikasa Naharitra Herintaona

Vita ny Fanavaozana ny Betelan’i Korea

Vita tamin’ny 30 Aprily 2023 ny fanavaozana an’ilay trano fonenana, izay efa 30 taona, tany amin’ny Betelan’i Korea. Nohavaozina ny efitra fisakafoana tao amin’ilay trano, ankoatra an’ireo efitra 62. Natao izany mba hitsitsiana ny angovo ampiasaina amin’ilay trano, ary mba tsy hampidi-doza ilay trano no sady hety tsara amin’izay mipetraka ao. Nisy 170 ny rahalahy sy anabavy niasa an-tsitrapo tamin’ilay fanavaozana, ary ny 71 tamin’izy ireo no mbola tsy nandray anjara tamin’ny asa fanorenana ataon’ny fandaminana. Nomena fampiofanana izy rehetra tamin’izay, ka 40 mahery tamin’izy ireo no lasa mahafeno fepetra hanampy amin’ny asa fanorenana atao any an-tany hafa, taorian’ilay fanavaozana.

Anabavy nandray anjara tamin’ny asa isan-karazany tamin’ilay fanavaozana

Ranabavy Kim Ha-yeon

Hoy ny Ranabavy Kim Ha-yeon: “Voalamina tsara ny fampiofanana azoko tamin’ilay fanavaozana tao amin’ny sampan’i Korea. Dia faly be aho izao satria lasa azoko ampiasaina amin’ny asa fanorenana any Indonezia ny zavatra nianarako tamin’iny.”

Rahalahy Lee Myong-Hoon

Nandray anjara tamin’io tetikasa io koa ny Rahalahy Lee Myong-Hoon. Hoy izy: “Nisy zava-dehibe lasa haiko nandritra an’iny tetikasa iny. Sarotra ilay asa nampanaovina ahy, saingy nahazo torolalana momba ny aro loza sy fampiofanana avy amin’ny fandaminana aho, dia lasa mora kokoa ilay izy.” Faly erỳ izao ny Rahalahy Lee manampy amin’ny tetikasa fanorenana any Philippines.

Efitrano iray ao amin’ny Betelan’i Korea, taorian’ilay fanavaozana

Faly isika fa vita ilay fanavaozana ny Betelan’i Korea. Nanao ezaka be ny mpiasa an-tsitrapo tamin’io tetikasa io, ary manao toy izany koa ireo mandray anjara amin’ny asa ampanaovin’ny fandaminana. Rehefa misaintsaina an’izany rehetra izany isika, dia te hisaotra azy ireny noho ny ‘asa mafy ataony amim-pitiavana.’​—1 Tesalonianina 1:3.