Hijery ny anatiny

Mino ve ny Vavolombelon’i Jehovah fa Izy Ireo Ihany no ho Voavonjy?

Mino ve ny Vavolombelon’i Jehovah fa Izy Ireo Ihany no ho Voavonjy?

 Tsia. Ho afaka ny ho voavonjy ny olona an-tapitrisany niaina taloha, izay tsy Vavolombelon’i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa “hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina” ao amin’ilay tontolo vaovao ampanantenain’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 24:15) Olona maro koa ankehitriny no mety ho efa nanomboka nanompo an’Andriamanitra ka ho voavonjy. Na ahoana na ahoana, dia tsy anjaranay ny mitsara hoe iza no ho voavonjy. I Jesosy ihany no voatendry hanao izany.—Jaona 5:22, 27.