Hijery ny anatiny

Manampy ny Tra-boina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Manampy ny Tra-boina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Eny. Matetika ny Vavolombelon’i Jehovah no manampy ny tra-boina. Ampianay daholo na ny Vavolombelona na ny olon-kafa, satria ampiharinay ilay toro lalan’ny Baiboly ao amin’ny Galatianina 6:10 hoe: “Aoka isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” Miezaka koa izahay mba hampahery an’ireo tra-boina sy hanampy azy ireo hanana finoana matanjaka, satria izany no tena ilain’izy ireo.—2 Korintianina 1:3, 4.

Fomba andaminana an’ilay fanampiana

 Aorian’ny loza, dia miantso na manatona an’ireo olona eo anivon’ny fiangonana ao amin’ny faritra niharan-doza ny anti-panahy. Izany no ahafantarany hoe tsy misy maninona ve izy ireo ary inona no mety hilainy. Ny anti-panahy avy eo no mampita ny vaovao any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Lazain’izy ireo koa hoe inona no fanampiana vonjimaika efa natao.

 Raha tsy mahavita misahana ny fanampiana ireo fiangonana ao amin’ilay tany, dia mandamina ny fomba anampiana azy ny Filan-kevi-pitantanana. Toy izany no nataon’ireo Kristianina voalohany, tamin’ny fotoana nisian’ny mosary. (1 Korintianina 16:1-4) Manendry Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny biraon’ny sampana, mba handamina sy hitarika an’ilay fandaharam-panampiana. Misy Vavolombelona avy any an-tany hafa koa mahafoy vola sy fotoana mba hanampiana.—Ohabolana 17:17.

Avy aiza ny vola?

 Ny fanomezana an-tsitrapo voarain’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah no akana mba hanampiana ny tra-boina. (Asan’ny Apostoly 11:27-30; 2 Korintianina 8:13-15) Koa satria mpiasa an-tsitrapo ireo olona mitondra fanampiana, dia tsy lany mba hanakaramana azy ireo ny vola fa atokana manontolo amin’ilay fanampiana. Ampiasainay tsara ireny fanomezana voarainay ireny.—2 Korintianina 8:20.