Hijery ny anatiny

Manaiky Hotsaboina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Manaiky Hotsaboina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Ie. Manaiky hotsaboina ny Vavolombelon’i Jehovah. Mila manatona “dokotera” izahay indraindray, na dia miezaka mitandro fahasalamana aza. (Lioka 5:31) Dokotera mihitsy aza ny Vavolombelon’i Jehovah sasany, toa an’i Lioka, Kristianina tamin’ny taonjato voalohany.—Kolosianina 4:14.

 Tsy mety aminay anefa ny karazana fitsaboana sasany, satria tsy mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy manaiky hampidiran-dra, ohatra, izahay, satria milaza ny Baiboly fa tokony hofadina ny ra, izany hoe tsy tokony hohanina na hampidirina ao amin’ny vatana. (Asan’ny Apostoly 15:20) Raran’ny Baiboly koa ny fitsaboana misy ifandraisany amin’ny asan’ny maizina.—Galatianina 5:19-21.

 Mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly anefa ny ankamaroan’ny fitsaboana, ka anjaran’ny tsirairay ny mifidy izay tiany. Misy karazana fitsaboana mety heken’ny Vavolombelona iray àry, fa tsy heken’ny hafa.—Galatianina 6:5.