Hijery ny anatiny

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Tsy Mahery Setra Be Intsony Aho”

“Tsy Mahery Setra Be Intsony Aho”
  • Teraka: 1973

  • Firenena: Ogandà

  • Fiainany Taloha: Nahery setra sy ratsy fitondran-tena ary mpisotro toaka be

NY FIAINAKO TALOHA

 Teraka tany Gomba, any Ogandà aho. Nahantra be ny ankamaroan’ny olona tany. Tsy nisy elektrisite tao an-tanànanay, dia jiro nandeha tamin’ny solika no nampiasaina rehefa alina.

 Mpamboly sy mpiompy ny ray aman-dreniko. Avy any Rwanda ry zareo no nifindra teto Ogandà. Kafe sy akondro no nambolen-dry zareo. Nanamboatra an’ilay toaka malaza atao hoe waragi koa ry zareo. Vita amin’ny akondro izy io. Niompy akoho, osy, kisoa ary omby koa ry zareo. Raha ny kolontsainay sy ny fomba nitaizana anay, dia hoe tsy maintsy mankatò ny vadiny foana ny vehivavy sady tsy mahazo milaza ny heviny.

 Nifindra tany Rwanda aho, tamin’izaho 23 taona. Nandeha tany amin’ny toeram-pandihizana foana izahay sy ny ankizilahy namako, tamin’izany. Nisy toerana fandihizana iray izay fandehanako matetika, dia tamin’ny farany aho tsy nampandoavin’ny tompon’andraikitra tao amin’ilay izy vola intsony, fa tonga dia niditra fotsiny. Tia nijery filma nisy adiady sy feno herisetra koa aho. Vokatr’izany rehetra izany, dia lasa nahery setra sy ratsy fitondran-tena ary mpisotro toaka be aho.

 Nanomboka niara-nipetraka tamin’izay ankizivavy iray izay aho, tamin’ny 2000. Skolastique Kabagwira no anarany, ary niteraka telo izahay. Araka ny efa nampianarina anay hatramin’ny mbola kely, dia nanantena aho hoe handohalika eo anatrehako i Skolastique rehefa hangataka zavatra sy hiarahaba ahy. Nieritreritra koa aho hoe an’ahy daholo ny fanananay rehetra, dia azoko atao amin’izay tiako hanaovana azy. Nandeha nivoaka alina foana aho matetika, dia tsy niverina raha tsy tamin’ny telo maraina, sady amin’izay efa mamo. Rehefa nandondòna aho, ka elaela i Skolastique vao nanokatra varavarana, dia novonoiko.

 Tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa tsy miankina iray aho, tamin’izany, ary tena tsara karama be ilay izy. Niezaka nandresy lahatra ahy hiara-hivavaka aminy any amin’ny Pentekotista i Skolastique. Nieritreritra mantsy izy hoe mety mba hiova aho raha mankany. Tsy nety nandeha anefa aho, fa lasa indray aho niaraka tamin’ny vehivavy hafa. Tena ratsy fanahy aho sady ratsy fitondran-tena, dia nanapa-kevitra i Skolastique hoe hody tany amin’ny ray aman-dreniny, dia nentiny daholo ny zanakay.

 Nisy namanay efa lehibebe izay nananatra ahy hoe tsy mety mihitsy ny ataoko. Nampirisihiny aho mba hiverina tamin’i Skolastique. Niteny tamiko koa izy hoe mampalahelo be, hono, ny zanako satria tsy mba miara-mipetraka amin’ny dadany. Nanomboka tsy nisotro toaka intsony àry aho tamin’ny 2005. Nisarahako koa ilay vehivavy niarahako, dia niverina tamin’ny Skolastique aho. Natao mariazy izahay tamin’ny 2006. Mbola nahery setra sy nampijaly ny vadiko ihany anefa aho.

NANOVA NY FIAINAKO NY BAIBOLY

 Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao aminay, tamin’ny 2008. Joël no anarany. Nohenoiko tsara ny zavatra noresahiny. Tonga nitsidika ahy foana izy sy ilay namany atao hoe Bonaventure, nandritra ny volana maromaro, dia niresaka be momba ny Baiboly izahay. Nametraka fanontaniana be dia be taminy aho, indrindra momba ny zavatra resahina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Tiako hoporofoina tamin-dry zareo mantsy hoe diso ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanontaniako, ohatra, izy hoe fa maninona ry zareo no miteny hoe hiaina eto an-tany ilay “vahoaka be” resahina ao amin’ny Apokalypsy 7:9, nefa resahiny ao amin’io andininy io ihany hoe “nitsangana teo anoloan’ny seza [fiandrianan’Andriamanitra] sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy]” izy ireo. Nanam-paharetana i Joël rehefa namaly ny fanontaniako. Nasehony ahy, ohatra, ny Isaia 66:1. Resahina ao mantsy fa ataon’Andriamanitra hoe ‘fitoeran-tongony’ ny tany, izany hoe eto an-tany izany ilay vahoaka be no mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Novakiko koa ny Salamo 37:29. Miresaka izy io hoe hiaina mandrakizay eto an-tany ny olo-marina.

 Nanaiky hianatra ihany aho, tamin’ny farany. I Bonaventure no nampianatra anay sy Skolastique. Rehefa nandeha ny fianaranay, dia lasa tapa-kevitra aho hoe hiova. Niezaka ny ho tsara fanahy sy hanaja ny vadiko aho. Tsy notereko handohalika eo anatrehako izy rehefa miarahaba ahy na mangataka zavatra. Tsy nieritreritra intsony koa aho hoe an’ahy irery ny fanananay rehetra. Tsy nijery filma nisy herisetra intsony koa aho. Tena tsy mora ny niala tamin’ireo. Nila nanetry tena sy nifehy tena be mihitsy aho vao vita ilay izy.

Nanampy ahy ho lasa vady tsara kokoa ny Baiboly

 Napetrako tany amin’ny havanay, tany Ogandà, ilay zanakay lahimatoa, taona vitsivitsy talohan’izay. Rehefa avy namaky ny Deoteronomia 6:4-7 anefa aho dia tsapako hoe izahay mivady no tokony hikarakara ny zanakay, anisan’izany ny hoe mampianatra azy ireo ny toro lalan’ny Baiboly. Samy faly be daholo na izahay na ilay zanakay lahy, rehefa nalainay nody tao an-trano izy!

NY SOA NORAISIKO

 Nianarako tao amin’ny Baiboly hoe Andriamanitra mamindra fo i Jehovah, dia matoky aho hoe tena namela ahy izy, tamin’ny zavatra tsy nety nataoko taloha. Faly koa aho fa niara-nianatra Baiboly tamiko i Skolastique. Nanokan-tena ho an’i Jehovah izahay, dia niara-natao batisa, tamin’ny 4 Desambra 2010. Mifampatoky tsara izao izahay, sady miezaka mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Tena faly ny vadiko hoe vao mirava avy miasa aho dia mody any an-trano. Tiany koa aho satria tsara fanahy aminy sy manaja azy, sady tsy misotro toaka intsony, ary tsy mahery setra be intsony. Voatendry ho anti-panahy aho, tamin’ny 2015, izany hoe anisan’ny mikarakara ny fiangonana. Dimy ny zanakay, dia efa vita batisa izao ny telo amin-dry zareo.

 Tamin’izaho nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy hoe nekekeko tany fotsiny izay nampianarin-dry zareo, fa nametraka fanontaniana aho mba hahitako hoe marina ve ilay izy. Gaga aho fa novalian-dry zareo avy tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontaniako. Samy resy lahatra izahay sy Skolastique hoe raha mieritreritra ny tenanao hoe manompo an’ilay tena Andriamanitra ianao, dia tokony hampiharinao eo amin’ny fiainanao daholo ny fitsipiny, fa tsy hoe izay tianao ampiharina ihany. Tena misaotra an’i Jehovah aho fa navelany hifandray akaiky aminy, sady navelany hinamana amin’ny olona be dia be manompo azy sy tsy mivadika aminy. Rehefa mieritreritra ny fiainako aho, dia resy lahatra hoe afaka miova daholo ny olona tso-po rehetra sady afaka mampifaly an’Andriamanitra, raha manampy azy Andriamanitra.