Hijery ny anatiny

Manasa Anao Izahay Hitsidika ny Betela any Etazonia

Manasa Anao Izahay Hitsidika ny Betela any Etazonia

“Tena nahafinaritra anay ilay nitsidika Betela, ary tsy hohadinoinay mandrakizay izany.” Izany no nolazain’ny mpivady iray avy any Vanuatu, rehefa avy nitsidika ny Betelan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia izy ireo. Olona 70000 mahery no mitsidika any isan-taona, ary izany koa no tsapan’ny ankamaroan’izy ireny.

Efa nitsidika ny Betela any Etazonia ve ianao? Mampirisika anao hanao izany izahay raha mbola tsy tany ianao.

Inona no ho hitanao any amin’ireo trano telo lehibe any?

Foibe any Brooklyn: Hisy mpitarika hitondra anao. Ho fantatrao mandritra an’ilay fitsidihana hoe ahoana no atao mba ho voalamina sy handroso tsara ny fitoriana ny vaovao tsara eran-tany. Afaka mijery fampirantiana roa koa ianao, ary tsy mila mpitarika. Iray amin’izany ilay hoe “Vahoaka Mitondra ny Anaran’i Jehovah”, izay mampiseho ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany ka hatramin’izao. Ilay iray indray mitondra ny lohateny hoe “Ny Baiboly sy ny Anaran’Andriamanitra”, ary hita ao ny fandikan-tenin’ny Baiboly samihafa misy ny anaran’Andriamanitra.

Sekoly ara-baiboly any Patterson: Ho fantatrao ny momba an’ireo sekoly atao any, ohatra hoe ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada sy ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny Vadiny. Hahita fampirantiana sy video manazava ny asa ataon’ireo sampan’asa any koa ianao, anisan’izany ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Sary, Sampan’asan’ny Feo sy Video, Sampan-draharaha Momba ny Lalàna, ary ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana.

Fanaovana pirinty sy fandefasana entana any Wallkill: Ho hitanao any hoe ahoana no anaovana pirinty ny Baiboly sy boky ara-baiboly, ary ahoana no anakambanana sy andefasana azy ireny any amin’ireo fiangonana eran’ny Etazonia, Karaiba, ary any an-tany hafa.

Maharitra adiny firy ny fitsidihana?

Maharitra adiny iray eo ho eo ny any Brooklyn, adiny roa eo ho eo ny any Patterson, ary adiny iray sy sasany eo ho eo ny any Wallkill.

Iza no mitarika ny fitsidihana?

Ny olona miasa ao amin’ireo sampan-draharaha samihafa ao amin’ny Betela ihany no mitondra ny mpitsidika. Raisin’izy ireo ho anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny asa fampianarana maneran-tany izany. Olona 5000 mahery no niasa tao amin’ireo Betela telo ireo, tamin’ny Mey 2014. Nampiofanina mba hitondra mpitsidika ny 3600 mahery tamin’ireo. Fiteny 40 eo ho eo no azo anaovana ny fitsidihana.

Misy vola aloa ve?

Tsy misy.

Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany ve no afaka mitsidika?

Tsy izany mihitsy. Tsy Vavolombelona ny ankamaroan’ireo mpitsidika. Samy handray soa na ny Vavolombelona na ny tsy Vavolombelona rehefa mahalala ny ezaka atao mba hampandrosoana sy handaminana ny fitoriana eran-tany.

Nisy vehivavy silamo iray avy any Inde nitsidika ny Betela any Patterson. Hoy izy, rehefa vita ny fitsidihana: “Tiako raha mba miasa ato aho. Misaotra betsaka anareo nandray tsara ahy.”

Afaka mankany koa ve ny ankizy?

Mazava ho azy! Mety hisy vokany lalina eo amin’ny ankizy ilay fitsidihana. Hoy i John, avy any Etazonia, rehefa avy nitsidika Betela: “Ilay fitsidihana foana no nataon’ny ankizy resaka rehefa nody izahay. Tsy azon’izy ireo an-tsaina hatramin’izay hoe hoatran’ny ahoana izany miasa ao amin’ny Betela izany. Lasa te hiasa any anefa ry zareo izao.”

Azo tsidihina koa ve ny Betelan’ny Vavolombelon’i Jehovah any an-tany hafa?

Eny. Misy Betela azo tsidihina any amin’ny tany maro. Jereo ilay hoe Fanazavana Momba ny Birao sy ny Fitsidihana, ato amin’ny jw.org, raha tianao ho hita ny toerana misy azy ireny. Manasa anao àry izahay hitsidika ny iray amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah.