Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

REPOBLIKA DOMINIKANINA

Nanampy Olona Maro Hiova Fo i Jehovah

Leonardo Amor

Nanampy Olona Maro Hiova Fo i Jehovah
  • TERAKA 1943

  • BATISA 1961

  • TANTARANY Mbola tanora izy no nahalala ny fahamarinana, ary efa nanompo manontolo andro nandritra ny 50 taona mahery.

IRAY volana teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Trujillo aho no natao batisa. Taona 1961 tamin’izay ary mbola nianatra lalàna tany amin’ny Oniversite aho. Tian’i Dada ho lasa mpitsara aho na hanao asa mitovitovy amin’izany, saingy naleoko lavitra nampianarin’i Jehovah. Niala tany amin’ny Oniversite àry aho, na dia tsy neken’i Dada aza izany. Voatendry ho mpisava lalana manokana aho, taoriana kelin’izay.

Nisy fotoana aho voatendry hanompo tany La Vega. Efa ela ny Fivavahana Katolika no nanjaka tao, ka tsy nisy lasa Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny olona tao tamin’izaho tany. Ilay rahalahy namako ihany no mpanatrika rehefa nanao lahateny aho. Tia nanao fianarana samirery anefa aho, nanatrika fivoriambe, ary nazoto nivavaka, ka hitako hoe nanohana ahy foana i Jehovah. Nisy fotoana aho nanontany an’i Jehovah hoe: ‘Mba hisy fiangonana ihany ve eto La Vega indray andro any?’ Faly aho milaza aminareo fa misy Efitrano Fanjakana 6 sy fiangonana 14 ary mpitory 800 mahery izao any.

Nanambady an’i Ángela aho tamin’ny 1965, ary nasaina hanompo eto amin’ny Betela izahay tamin’ny 1981. Tsy nisy afa-tsy 681 ny mpitory eran’ny Repoblika Dominikanina, tamin’izaho natao batisa. Misy mpitory 36 000 mahery anefa eto izao, ary mbola misy an’arivony, ankoatra an’ireo, no manatrika fivoriambe. Rehefa mitodika ny lasa aho, dia miaiky hoe nanampy olona maro hiova fo tokoa i Jehovah.

Komitin’ny Sampana, avy eo ankavia miankavanana: Reiner Thompson, Juan Crispín, Thomas Dean, Leonel Peguero, Leonardo Amor, ary Richard Stoddard