Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana

Resahina ato hoe afaka ny ho sambatra ny karazan’olona rehetra, raha manana ny tena finoana.

Teny Fampidirana

Olona an-tapitrisany no nahita valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana manahiran-tsaina.

FIZARANA 1

Miahy Antsika ve Andriamanitra?

Be dia be ny zava-manahirana ny olona eran-tany. Maro koa angamba ny zavatra mampanahy anao isan’andro. Iza no afaka manampy antsika? Mba misy miahy antsika ihany ve?

FIZARANA 2

Inona no Atao hoe Tena Finoana?

Olona an-tapitrisany no mino an’Andriamanitra, nefa minia manao ratsy. Tsy hoe rehefa mino an’Andriamanitra àry ny olona iray, dia azo lazaina hoe manana ny tena finoana.

FIZARANA 3

Torohevitra Mahasoa

Misy torohevitra mahasoa ao amin’ny Soratra Masina, izay manampy antsika hamaha ny olana ao an-tokantrano, hifehy ny hatezerana, hiala amin’ny zava-mahadomelina, tsy hahery setra intsony, sns.

FIZARANA 4

Iza moa Andriamanitra?

Maro ny andriamanitra ivavahan’ny olona. Asehon’ny Soratra Masina anefa fa iray ihany ny tena Andriamanitra.

FIZARANA 5

Tsy Manan-tsahala Ireo Toetran’Andriamanitra

Miresaka an’ireo toetra mahatalanjon’Andriamanitra ny Soratra Masina, ka lasa afaka mahalala azy isika.

FIZARANA 6

Nahoana Andriamanitra no Namorona ny Tany?

Milaza ny Soratra Masina fa “tsy hoe tsy misy antony” ny namoronan’Andriamanitra ny tany, fa “nataony honenana.” Izao iainantsika izao ve anefa no fikasany?

FIZARANA 7

Inona no Fampanantenana Nambara Tamin’ny Mpaminany?

Fitahiana ho an’ny firenena rehetra eto an-tany!

FIZARANA 8

Tonga ny Mesia

Voarakitra ao amin’ny Soratra Masina ny tantaran’ny Mesia sy ny zavatra nampianariny.

FIZARANA 9

Tahafo Ilay Mesia

Fantatr’Andriamanitra hoe mpitarika hoatran’ny ahoana no tena ilaintsika, ka ilay tsara indrindra no nofidiny.

FIZARANA 10

Ilay Fahavalon’ny Finoana

Lasa nanohitra an’Andriamanitra ny anjely iray.

FIZARANA 11

Iza no Manana ny Tena Finoana Ankehitriny?

Nilaza i Jesosy hoe mamoa “voa tsara” na manana toetra tsara ny olona manana ny tena finoana. Inona no sasany amin’izany?

FIZARANA 12

Porofoy fa Manana ny Tena Finoana Ianao!

Inona no azonao atao?

FIZARANA 13

Ho Sambatra Mandrakizay Ireo Manana ny Tena Finoana

Misy fampanantenana mahafaly mahakasika anao ao amin’ny Soratra Masina.