Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

‘Azo inoana fa ny taona 2006 no fahenina amin’ireo taona nafana indrindra fantatra hatramin’izay.’ Tato anatin’ny 12 taona farany avokoa ny taona folo nafana indrindra.— FIKAMBANANA MPAMANTATRA NY TOETRANDRO ERAN-TANY.

Namoaka lalàna ny Birao Miandraikitra ny Filaminam-bahoaka any Beijing, any Chine, fa “alika iray ihany” no azon’ny tokantrano tsirairay ompiana, mba tsy hiparitahan’ny haromotana. Olona 2 660 teo ho eo mantsy no matin’ny haromotana tany Chine, tamin’ny 2004.—XINHUA ONLINE, CHINE.

Tena atahorana “ho tratran’ny virosin’ny sery” ny olona mipetraka any amin’ny hotely, rehefa mikasika ny hidim-baravarana, fandrehetana jiro, telefaonina, ary ny fandefasana tele ao amin’ny efitra misy azy.—MACLEAN’S, KANADA.

Omena Anarana ny Bibikely any Amazonia

Karazana bibikely 60 000 eo ho eo ao amin’ny alan’i Amazonia no efa nomen’ny mpikaroka anarana. Milaza anefa ny fampitam-baovao Folha Online, fa mbola misy 180 000 any ho any no tsy nahazo anarana. Misy 20 izao ny mpikaroka momba ny bibikely miasa ao amin’io ala io. Araka ny tatitra vao haingana, dia 3 isan-taona raha be indrindra ny bibikely voaisy anarana. Rehefa jerena izany, dia mety ho mbola any amin’ny taranaka faha-90 mandimby an’ireo mpikaroka ireo, vao ho voaisy anarana ny karazana bibikely rehetra ao Amazonia, raha miasa 35 taona avy ny taranaka tsirairay. Mbola afaka 3 300 taona izany!

Tsy Ampy ny Angovo

Hoy ny gazety Our Planet, navoakan’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Tontolo Iainana: ‘Olona 1 600 tapitrisa eo ho eo, izany hoe ny ampahefatry ny mponina eto an-tany, no tsy manana herinaratra, ary 2 400 tapitrisa no tsy mampiasa afa-tsy saribao, na dikim-biby, na kitay, mba handrahoan-kanina na hanafanana ny trano. Vehivavy sy ankizy 2 500 000 eo ho eo [anefa] isan-taona, no matin’ny setroka avy amin’ireo zavatra ireo.’

Mety Hampijaly ny Internet

Misy pejy ahafahan’ny daholobe mifanerasera ao amin’ny Internet. Afaka mifandray amin’ny olona maro tsy fantatrao ianao ao. Voalaza fa lasa mahatsapa hoe be mpitia kokoa ireo nanao izany. Milaza koa anefa ny fampitam-baovao Folha Online, fa “tena mahazo vahana” ao ny “mpandainga”, mpanavakavaka, ary ny mpitsabaka amin’ny fiainan’ny olona. Tsy milaza ny marina momba azy ny olona sasany. Ny hafa indray manesoeso an’ireo matavy, na fohy, na ngita volo, ka mahatonga azy ireny halahelo mafy. Nahoana izy ireny no malahelo toy izany? Hoy i Ivelise Fortim, psikology brezilianina: “Mafy kokoa amin’izy ireo ny zavatra hitany ao amin’ny [Internet] noho ny zavatra hitany eo amin’ny fiainana andavanandro.”

Fitaovana Tranainy Fanaovana Kajy

Tamin’ny 1901, dia nisy mpaka sponjy any an-dranomasina nahita fitaovana iray efa harafesina tao amin’ny sambo romanina rendrika tany akaikin’ny nosy Antikýthēra, any Gresy. Fantatra izao fa fitaovana fanaovana kajy momba ny planeta sy ny kintana ilay izy, ary vita tamin’ny taonjato faharoa T.K. Hafakely sy be pitsiny izy io. Vao haingana dia nampiasa skanera fijerena zavatra amin’ny an-tsipiriany ny mpahay siansa, mba handinihana azy io. Hitan’izy ireo fa nisy halimo boribory 30 teo ho eo feno kinifinifiny tao anatiny, tamin’ny mbola tsy simba. Boaty kely hazo no nisy azy ireo. Nahafahana namantatra tsy misy diso ny toeran’ny masoandro sy ny volana io fitaovana io, sady nahalalana mialoha hoe rahoviana no ho takon’ny tany ny volana, ary rahoviana no hisy fanakona-masoandro. Milaza ny gazety Nature, fa “mbola be pitsiny kokoa izy io raha oharina amin’ny fitaovana namboarina 1 000 taona tatỳ aorianany.”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

AP Photo/Thanassis Stavrakis