Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 3

Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 3

Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 3

Babylona Fahiny

Miresaka momba an’ireo firenena matanjaka resahin’ny Baiboly ny “Mifohaza!”, ka ity no fahatelo amin’ireo lahatsoratra fito misesy momba izany. Nosoratana ireo lahatsoratra ireo mba hampiharihariana fa azo itokisana ny Baiboly, avy amin’ny fanahy masina, ary mampanantena fa hifarana ny fijaliana vokatry ny fitondran’olombelona feno habibiana.

TEO amin’ny lemaka mahavokatra, any amin’ny 80 kilaometatra eo ho eo any atsimon’i Bagdad, no nisy an’i Babylona fahiny. Kanto erỳ izy io. Toa tsy nety resy i Babylona, noho ireo mandany roa sosona sy ilay hadivory nanodidina azy. Nampahalaza azy ny tempoliny mijoalajoala sy ireo zaridaina mihantona ary ny tilikambon’ny tempoliny. Iray amin’ireo tanàna lehibe indrindra fahiny izy.

Renivohitry ny firenena matanjaka fahatelo resahin’ny Baiboly i Babylona, ary antsoina hoe “Tompovavin’ireo Fanjakana.” (Isaia 47:5) Voaresaka imbetsaka ao amin’ny Baiboly izy, toa an’i Ejipta sy Asyria ihany, ka azontsika ampitahaina izay voalazan’ny Baiboly sy ny fanazavana tsy ara-pivavahana.

Tantara azo itokisana

Milaza ny bokin’i Daniela, ao amin’ny Baiboly, fa nisy mpanjaka natao hoe Belsazara tany Babylona. (Daniela 5:1) Nisy boky tsy ara-pivavahana nilaza anefa fa tsy mpanjaka mihitsy i Belsazara na dia nanana fahefana aza. Diso àry ve ny Baiboly? Nahita varingarina tanimanga maromaro tao amin’ny sisan-javatra tany Ora any Mezopotamia, ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Nirakitra vavaka nataon’i Nabonida Mpanjaka ho an-janany ireo soratra miendri-pantsika teo amin’ireo varingarina ireo, ary nisy hoe “Bel-sar-ussur [na Belsazara], zanako lahimatoa.” Lazain’ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly (anglisy) hoe hita tamin’ny fikarohana tatỳ aoriana fa “nisolo toerana an-drainy [i Belsazara], nandritra ny antsasany mahery tamin’ny fotoana nanjakan-drainy. Toy ny hoe mpanjaka ihany izy nandritra izany fotoana izany.”

Asehon’ny tantara koa fa tanàna be mpivavaka i Babylona, ary feno fanandroana sy fanaovana sikidy. Resahin’ny Ezekiela 21:21, ohatra, fa nanao sikidy ny mpanjakan’i Babylona ary ‘nandinika ny atin-kena’, mba hahalalany raha tokony hanafika an’i Jerosalema izy na tsia. Nampiasa atin-kena ny Babylonianina mba hitadiavana fambara. Milaza ny boky Fanandroana Tany Mezopotamia (anglisy) fa toerana iray monja teo amin’ny faritra nisy an’i Babylona fahiny no nahitan’ny mpikaroka “atin-kena 32.” Vita tamin’ny tanimanga izy ireo ary feno soratra nilaza fambara.

Hoy i Nelson Glueck, mpikaroka malaza: “Efa telopolo taona aho no nikaroka ny tany ambanin’ny tany, niaraka tamin’ny Baiboly sy fitaovana kely fangadiana. Hitako fa tsy diso mihitsy ny Baiboly raha eo amin’ny resaka tantara.”

Faminaniana azo itokisana

Ahoana ny hevitrao raha misy milaza fa tsy hisy mponina intsony ary ho rava ny tanàn-dehibe toa an’Antananarivo na i Paris? Tsy hino angamba ianao. Izany anefa no nitranga tamin’i Babylona, tanàna natanjaka fahiny. Nasain’i Jehovah Andriamanitra nanoratra momba ny handravana azy i Isaia mpaminany hebreo, 200 taona teo ho eo mialoha, izany hoe tamin’ny 732 Talohan’i Kristy (T.K.) tany ho any. Hoy i Isaia: “Ho rava toy ny nanaovan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora i Babylona, ilay ravak’ireo fanjakana. ... Tsy honenana intsony izy, ary tsy hisy toerana ho azy intsony hatramin’ny taranaka fara mandimby.”—Isaia 13:19, 20.

Nahoana anefa Andriamanitra no nilaza mialoha fa horavana i Babylona? Nandrava an’i Jerosalema ny Babylonianina tamin’ny 607 T.K. Nentiny tany Babylona ireo sisa tsy maty ka nampijalijaliny. (Salamo 137:8, 9) Nilaza Andriamanitra fa tsy maintsy hijaly mandritra ny 70 taona ny olony, noho ny ratsy nataony. Hafahany izy ireo avy eo ka hiverina amin’ny taniny.—Jeremia 25:11; 29:10.

Tanteraka ilay faminaniana nampilazain’Andriamanitra, rehefa ho tapitra ireo 70 taona nanaovana sesitany ny Jiosy, tamin’ny 539 T.K. Noravan’ny Medianina sy Persianina i Babylona, ilay tanàna toa tsy mety resy, tamin’izay. Lasa korontam-bato miavosa ilay tanàna, araka ny efa voalaza. Tsy nisy nahavita namantatra mialoha zavatra lehibe toy izany. Tsy misy andriamanitra mitovy amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra nampanoratra ny Baiboly, noho izy mahay milaza mialoha ny hoavy.—Isaia 46:9, 10.

Fanantenana azo itokisana

Misy faminaniana iray koa tanteraka amin’ny androntsika. Momba an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona sy ny sarivongana ngezabe hitany tamin’ny nofy ilay izy. Vita tamin’ny metaly samihafa ny vatan’ilay sary, izany hoe ny lohany, ny tratrany sy ny sandriny, ny kibony sy ny feny, ny ranjony, ary ny tongony. (Daniela 2:31-33) Manondro fitondram-panjakana nifandimby ireo, nanomboka tamin’i Babylona ka hatramin’ny Anglisy-Amerikanina, ilay firenena matanjaka fahafito resahin’ny Baiboly.—Daniela 2:36-41.

Nilaza i Daniela fa tsy nitovy tamin’ny tapany hafa amin’ny vatan’ilay sary ny tongony sy ny rantsantongony, fa vita tamin’ny vy mifangaro tanimanga mbola lena. Hoy i Daniela tamin’i Nebokadnezara: “Araka ny hitanao, dia tanimanga mbola lena no nifangaro tamin’ny vy. Koa hisy ampahany amin’ilay fanjakana àry hifangaro amin’ny taranak’olombelona, nefa tsy hitambatra izy ireo, eny, tsy hitambatra amin’ny iray ny iray, toy ny tsy hifangaroan’ny vy amin’ny tanimanga.” (Daniela 2:43) Halemy ny vy sy tanimanga raha afangaro, ary tsy ho afaka “hitambatra.” Mahalaza tsara ny tontolo misy antsika, izay voazarazaran’ny politika, izany.

Misy zavatra miavaka noresahin’i Daniela koa. Nahita vato nendahana teo amin’ny tendrombohitra lehibe i Nebokadnezara Mpanjaka, tao amin’ilay nofiny. “Namely an’ilay sary teo amin’ny tongony vy sy tanimanga ilay vato, ka nahatorotoro azy.” (Daniela 2:34) Inona no dikan’izany? Hoy i Daniela: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [amin’ny fotoana hanjakan’ilay firenena matanjaka farany], dia hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Daniela 2:44) Fanjakana iray tena miavaka no tian’io faminaniana io holazaina ka i Jesosy Kristy, ilay Mesia, no Mpanjakany. Voalazan’ireo lahatsoratra tany amin’ny laharana teo aloha fa hotorotoroin’i Jesosy i Satana sy ny namany rehetra, na anjely na olona. Hanjaka eran’izao rehetra izao ny fiadanana sy firaisan-tsaina.—1 Korintianina 15:25.

[Teny notsongaina, pejy 11]

‘Efa telopolo taona aho no nikaroka ny tany ambanin’ny tany. Hitako fa tsy diso mihitsy ny Baiboly raha eo amin’ny resaka tantara.’—Nelson Glueck

[Efajoro, pejy 12]

NOLAZAINA NY ANARANY

Anisan’ny tena miavaka amin’ireo faminaniana mahakasika ny hianjeran’i Babylona ny momba an’ilay handresy azy, dia i Kyrosy mpanjakan’i Persa. Nolazain’i Jehovah Andriamanitra hoe Kyrosy no anaran’ilay handresy an’i Babylona, 200 taona latsaka talohan’ny hiakaran’izy io teo amin’ny fitondrana.

Nahazo ny herin’ny fanahy masina i Isaia, ka nanoratra mialoha toy izao momba an’i Kyrosy: “Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ilay voahosony, dia i Kyrosy, izay notantanako tamin’ny tanany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany ... ary mba hanokafako ny varavarana kopa-droa eo anoloany ka na ny vavahady aza dia tsy hikatona.” Nilaza koa Andriamanitra fa ho ritra ny Reniranon’i Eofrata.—Isaia 45:1-3; Jeremia 50:38.

Nanamarina i Hérodote sy Xénophon, Grika mpahay tantara, fa tanteraka tokoa io faminaniana io. Nilaza izy ireo fa navilin’i Kyrosy ny Reniranon’i Eofrata ka nihena ny rano. Afaka niditra teo amin’ny vavahadin’ny tanàna, izay navela hisokatra, àry ny tafik’i Kyrosy. Nianjera “tampoka” tao anatin’ny iray alina tokoa i Babylona, ilay firenena matanjaka.—Jeremia 51:8.

[Efajoro/Sary, pejy 12, 13]

BABYLONA LEHIBE

Miresaka momba ny mpivaro-tena an’ohatra antsoina hoe “Babylona Lehibe” ny bokin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 17:5) Manondro an’iza io mpivaro-tena io? Asehon’ny zava-misy fa fikambanana ara-pivavahana izy io.

Mpivavaka be ny Babylonianina. Nisy tempoly 50 mahery, an’ny andriamanitra samihafa, tany Babylona. Nino andriamanitra maro miaraka tsitelotelo izy ireo, ary nino fa misy fanahy mankany amin’ny tontolon’ireo maty, rehefa maty ny vatana. Milaza ny Rakipahalalana Vaovaon’i Funk sy Wagnalls (anglisy) fa “faraidiny ny fiainana any ankoatra raha ampitahaina amin’ny fiainana etỳ an-tany.”

Niely eran-tany ireny fampianarana ireny, tatỳ aoriana. Ampianarina any amin’ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina izy ireny, na ny mitovitovy aminy. Ireo fivavahana ireo no mitana toerana lehibe ao amin’i Babylona Lehibe, izay manondro fitambarana fivavahana eran-tany.

[Sary]

Nivavaka tamin’ny andriamanitra telo mitambatra ny Babylonianina. Anisan’izany izay aseho eto, dia i Sîn sy Shamash ary Ishtar

[Sary nahazoan-dalana]

Sary roa: Photograph taken by courtesy of the British Museum

[Sary, pejy 10]

Sarin’i Babylona fahiny

[Sary, pejy 11]

Varingarina tanimanga misy ny anarana hoe Belsazara

[Sary nahazoan-dalana]

Photograph taken by courtesy of the British Museum

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Sary ambony: Sary mivohitra ejipsianina sy sarin’i Néron: Photograph taken by courtesy of the British Museum; sary mivohitra persianina: Musée du Louvre, Paris