Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Volon’ny Vorondrano

Ny Volon’ny Vorondrano

MISOSA haingana be ny vorondrano (manchot empereur) rehefa milomano, ary toy ny tselatra mihitsy izy mitsambikina avy ao anaty rano mankeo ambony ranomandry. Fa ahoana no hahavitany an’izany?

Volon’ny vorondrano

Diniho izao: Tehiriziny eo anelanelan’ny volony ny rivotra, amin’izay tsy tonga dia miantraika amin’ny vatany ny hatsiaka mamirifiry. Tsy vitan’izay fa mahatonga azy hitsoriaka be koa izany, rehefa ao anaty rano. Lasa avo roa na telo heny mihitsy ny hafainganam-pandehany. Fa ahoana? Hitan’ny mpikaroka fa avotsotry ny vorondrano ilay rivotra tao anaty volony, ka manjary miboiboika manodidina azy. Lasa tsy mifampikasoka be amin’ny rano àry ny vatan’izy ireo, ka afaka mitsoriaka be izy.

Mahaliana fa niezaka naka tahaka an’izany ny injeniera, mba hanamboarana sambo mandeha mafy be. Te hampiasa rivotra kely miboiboika àry izy ireo, mba tsy hifampikasoka be amin’ny rano ny vatan’ny sambo. Hoatran’ny tsy ho vita anefa ilay izy satria “sarotra be ny hanao zavatra misy kilavadavaka na volovolo kely mitovy amin’ny volon’ny vorondrano.”

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny volon’ny vorondrano, sa nisy namorona?