Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Italia

Fitsidihana An’i Italia

AHITANA zavatra samy hafa any Italia: Ny any atsimo mafana manevokevoka, nefa ny any avaratra mamirifiry. Betsaka ny toerana feno torapasika, nefa maro koa ny tendrombohitra mitomandavana. Be volkano any saingy vitsy ihany sisa no atahorana hipoaka, anisan’izany i Stromboli sy Etna.

Iray amin’ireo tany be mponina indrindra any Eoropa i Italia. Betsaka ny mpifindra monina efa nandalo tany. Anisan’izany ny Arabo, Grika, Fenisianina, ary koa ny olona avy any Byzance sy Normandia.

Mitaingina lakana atao hoe gondole ny mpizaha tany, rehefa mitsidika an’i Venise

Maro toerana manan-tantara sy vakoka sarobidy any. Ao, ohatra, ireo tanàna rava tamin’ny andron’ny Grika sy Romanina. Eo koa ireo trano sy zavakanto naorina tamin’ny andro fahiny. Tena miavaka ireo sarivongana vita amin’ny marbra, sy hoso-doko, ary dobokely misy rano mifantsitsitra, izay sangan’asan-dry Bernin sy Michel-Ange ary Raphaël.

Tia mikarakara sakafo ny Italianina, ary efa manana ny fanaony mampiavaka azy izy ireo: Paty matetika no arosony aloha, ary hena na trondro miaraka amin’ny legioma aorian’izay. Mpamokatra menaka  oliva ny any ka tena mampiasa azy io ny olona. Sakafo mampahalaza an’i Italia ny pizza, sy ny risotto izay vary nafangaro trondro na hena.

Foto-tsakafon’ny Italianina ny paty

Sariaka sy tia mandray vahiny ny olona any. Maresaka be koa ry zareo rehefa tafaraka. Misy olona miresaka foana àry hita mandehandeha na mipetrapetraka eny rehetra eny.

Katolika ny ankamaroan’ny olona any nefa vitsy ihany no mandeha miangona. Tsy dia manaraka ny fampianaran’ny Eglizy intsony koa ny Italianina tato ho ato. Maro mantsy no mihevitra fa tsy ratsy ny manala zaza sy misara-panambadiana.

Mandroso be ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Italia. Fantatry ny olona izy ireo hoe mampianatra Baiboly sady mampihatra izay lazain’izy io. Mizara ho fiangonana 3 000 mahery izy ireo, ary miezaka mitory amin’ny olona miteny vahiny. Tena ilaina izany satria lasa avo telo heny ny vahiny mipetraka any Italia, tato anatin’ny folo taona.

FANTATRAO VE?

Na dia any Roma aza no misy an’i Vatikana, dia tany iray mahaleo tena izy io, nanomboka tamin’ny 1929. Firenena vahiny àry izy io amin’ny Italianina.

Tendrombohitra atao hoe Dolomites, any avaratratsinanana