Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Mba Tsapanao ve ny Mahazo ny Zanakao Vavy?

Mba Tsapanao ve ny Mahazo ny Zanakao Vavy?

OLANA

Mitaraina ny zanakao vavy hoe miady saina izy. Gaga ianao hoe vao 13 taona ve izy, dia efa izany sahady! Aza maika hiteny an’izany anefa, fa diniho aloha hoe nahoana no tsy mora ny mahazo ny ankizivavy mitovitovy taona aminy.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Miova ny toe-batany. Tena mampiasa saina azy izany, indrindra raha lasa aloha na tara kokoa ny azy raha oharina amin’ny an’ny namany. Hoy i Safidy, * izay efa 20 taona izao: “Izaho no nanao soutien voalohany, fa ny namako mbola tsisy nanao. Menatra aho satria tsy mba hoatran’ny ankizy. Hozy aho hoe izaho ity angamba sampona!”

Miovaova ny fihetseham-pony. Hoy i Lanto, izay 17 taona izao: “Nandreraka be ilay izy. Falifaly erỳ aho mandritra ny andro, nefa amin’ny alina aho kivy be tampoka dia mitomany fotsiny. Tsy azoko mihitsy! Tena tsy haiko ny nifehy ny fihetseham-poko.”

Mafy aminy ilay tonga fotoana voalohany. Hoy i Sitraka: “Efa notenenin’ny mamanay an’ahy hoe hoatran’ny ahoana ilay izy, nefa mbola taitra ihany aho. Nandro foana aho tontolo andro, satria hoatran’ny maloto izany. Ny zokiko lahy anankitelo koa amin’io mananihany an’ahy. Mbola ihomehezan-dry zareo ihany aho nefa izaho aza efa mijaly.”

Tsy te hailikiliky ny namany izy. Hoy i Rojo, 18 taona: “Ratsy fanahy be ny ankizy mpiara-mianatra taminay, tamin’izaho 13 taona teo ho eo. Ataon-dry zareo mijaly mihitsy izay ankizy tsy manaraka ny ataony.” Hoy koa i Tiavina, 14 taona: “Misy ankizy maromaro efa mpiarakaraka foana, dia mafy be aminao rehefa tsy mba tafiditra amin’ireny ianao.”

INONA NO AZONAO ATAO?

Ampirisiho hiresaka ny zanakao. Mety tsy ho sahy izy amin’ny voalohany, fa manàna faharetana. Araho ilay torohevitra ao amin’ny Jakoba 1:19, hoe: ‘Aoka ianao ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.’

Aza hamaivanina ny olana mahazo azy. Tadidio fa tsy mbola nahita fiainana hoatr’anao ny zanakao. Mety hoe izao no zavatra mafy indrindra hitany, dia mbola tsy hainy ny miatrika an’ilay izy.—Toro lalan’ny Baiboly: Romanina 15:1.

Jereo sao be loatra ny ataony ankoatra ny fianarana. Milaza ny boky iray fa raha “marary andoha lava sy marary vavony foana ny ankizy, dia mety hidika izay fa miferinaina izy” satria enjehiny daholo ity rehetra ity.—Toro lalan’ny Baiboly: Filipianina 1:9, 10.

Asaivo manao ampy torimaso tsara izy. Tia miari-tory ny ankizy. Raha mitohy anefa izany dia lasa tsy marani-tsaina firy intsony izy, ka tsy mahay miatrika olana.—Toro lalan’ny Baiboly: Mpitoriteny 4:6.

Asaivo manao zavatra mampilamina ny sainy izy. Misy ankizivavy manao fanatanjahan-tena, ka tsy miady saina loatra. ‘Mahasoa ny fampiasan-tena’, hoy ny Baiboly. (1 Timoty 4:8) Misy indray manao diary, ka manoratra an’izay zavatra mampiferinaina azy. Hoy i Meva, izay 22 taona izao: “Rehefa nanana olana aho taloha ka tsy hitako izay hatao, dia soratako ilay izy. Mazava amiko ny fihetseham-poko avy eo, dia mora amiko ny mitady vahaolana na manadino an’ilay izy fotsiny.”

Miezaha mba ho modely. Ianao ve mahay miatrika olana? Tianao hatao daholo ve izao rehetra izao, nefa avy eo ianao miferinaina be manenjika azy rehetra? Miasa be loatra ve ianao ka reraka loatra avy eo, dia tsy vitanao intsony izay zava-dehibe? Hoy ny Filipianina 4:5: ‘Aoka ianao ho fantatra hoe mahay mandanjalanja.’ Tadidio fa mandinika anao ny zanakao ary maka tahaka an’izay ataonao, na tsara izany na ratsy.

^ feh. 6 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.