Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Voantay

Ny Voantay

MAHATSIKAIKY fa tena mahasoa ny diky ho an’ny voantay. Ataony sakafo, ohatra, ilay izy, na anatodizany, na koa ataon’ny lahy fanomezana ho an’ny vavy, mba hanintonana azy. Mifaninana erỳ ry zareo mitaona diky mbola lena. Nisy mpikaroka aza nahita voantay 16 000 teo ho eo, nirohotra teo amin’ny tain’elefanta nisavovona be. Adiny roa fotsiny ilay izy dia voataonan-dry zareo!

Fetsy ny voantay sasany ka ataony boribory hoatran’ny baolina ilay diky, ary atosiny mba hikodiadia. Mahagaga fa mahitsy be ny lalana itondrany an’ilay izy. Vetivety izy amin’izay dia lasa lavitra ka tsy azon’ny voantay hafa angalarina ilay efa mba azony. Asitriny anaty tany malemilemy ilay izy avy eo.

Nahoana anefa ny voantay no mahay mandeha mahitsy be rehefa manosika an’ilay baolina, na dia amin’ny alina aza?

Diniho izao: Voamariky ny mpikaroka fa sady mahay manaraka ny hazavan’ny masoandro sy ny volana ny voantay, no mahita koa amin’ny alina maizim-bolana. Nahoana? Hitan’ny mpikaroka tany Afrika Atsimo fa tsy hoe ny hazavan’ny kintana tsirairay no ampiasainy, fa ny fitambaran’ny hazavana avoakan’ny Vahindanitra Mivolondronono. Io no “biby voalohany voasoratra hoe mampiasa ny Vahindanitra Mivolondronono mba hitari-dalana azy”, araka ny gazety Biolojia Ankehitriny (anglisy).

Nilaza toy izao i Marcus Byrne, mpikaroka: ‘Na dia voafetra aza ny fahaizan’ny voantay, dia tena mahita lalana izy ireny raha vao misy kintana mitsilopilopy. Afaka maka tahaka an’io bibikely io ny olona mba hikarohana zavatra, na dia zara raha misy hazavana aza.’ Raha atao maka tahaka ny voantay, ohatra, ny robot, dia mety ho azo baikoina mba hikaroka olona rehefa misy trano mianjera.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny fahaizan’ny voantay, sa nisy namorona?

Fantatrao ve?

Mahay miasa tany sy manisy zezika ary mamafy voa ny voantay. Noho ny asan’izy ireo koa, dia mba tsy mirongatra be ny lalitra.