Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Loka

Loka

Misy mihevitra fa fialam-boly fotsiny ny miloka. Misy indray milaza hoe fahazaran-dratsy manandevo izy io.

Ratsy ve ny miloka?

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Maro no mieritreritra fa mahafinaritra ny miloka, ary tsy misy maharatsy azy rehefa tsy voararan’ny lalàna. Ny loteria sasany aza, ny fanjakana mihitsy no mamatsy vola an’ilay izy. Natao hanampiana ny vahoaka ny tombony azo avy amin’izany.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tsy miresaka mivantana momba ny filokana ny Baiboly. Misy toro lalana maromaro anefa voalaza ao, ka ahitana hoe ahoana ny fiheveran’Andriamanitra ny filokana.

Ny olona miloka dia mitetika ny hahazo ny volan’ny mpiloka hafa fotsiny. Milaza anefa ny Baiboly hoe: “Mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana.” (Lioka 12:15) Vao mainka mahatonga ny olona hitsiriritra ny filokana. Raha ny marina, dia ny fitsiriritana no tena mahatonga ny olona hiloka. Manao dokam-barotra ny toeram-pilokana hoe hahazo vola be izay miloka ao amin’izy ireo. Fantany mantsy fa betsaka ny olona te hanan-karena tampoka, ka mahasahy mandany vola be any amin’ny trano filokana. Tsy resahin’izy ireo kosa anefa hoe tsy voatery hahazo ilay olona rehefa miloka. Mampirisika ny olona tsy hisahirana fa hahazo vola amin’izao fotsiny ny filokana.

Tia tena ny olona miloka satria tsy mieritreritra afa-tsy ny hahazo volan’olona fotsiny. Mampirisika toy izao anefa ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.” (1 Korintianina 10:24) Iray amin’ny Didy Folo koa ny hoe: ‘Aza mitsiriritra fananan’olona.’ (Eksodosy 20:17) Raha manantena be ny mpiloka iray hoe tsy maintsy hahazo, dia midika izany fa tiany ho matiantoka ny mpiloka hafa amin’izay izy mahazo tombony.

Mampitandrina koa ny Baiboly fa tsy mety ny mino ny vintana. Tsy tena natoky an’Andriamanitra ny olona sasany tany Israely fahiny, ka ‘nanomana latabatra ho an’ny andriamanitry ny Vintana.’ Nankasitrahan’Andriamanitra ve anefa izany? Tsia, satria hoy izy: “Nanao izay ratsy teo imasoko foana ianareo, ary ny zavatra tsy sitrako no nofidinareo.”—Isaia 65:11, 12.

Marina fa mety hampiasain’ny fanjakana mba hampandrosoana ny toe-karena sy ny fampianarana ary hanasoavana ny vahoaka ny vola azo avy amin’ny lalao sasany. Na tsara aza anefa ny fomba ampiasana an’ilay vola, dia ratsy ny fomba nahazoana azy. Mampirisika ny olona hitsiriritra sy ho tia tena mantsy ny miloka, sady mahatonga azy tsy ho vonona hiasa fa hanao ariary zato am-pandriana fotsiny.

‘Aza mitsiriritra fananan’olona.’ Eksodosy 20:17.

Inona avy no mety ho voka-dratsin’ny filokana?

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

“Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena.” (1 Timoty 6:9) Matetika ny mpiloka no tsy mety afa-po mihitsy. Tena toetra ratsy izany, matoa tanisain’ny Baiboly ho anisan’ny fahotana ny “faniriana tsy mety afa-po.”—Efesianina 5:3.

Te ho mpanankarena tampoka ny olona miloka. Lasa tia vola loatra àry ny mpiloka, nefa milaza ny Baiboly fa ny ‘fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao.’ Mety tsy ho voamariky ny olona akory hoe lasa hoatr’izany izy. Raha ny hahazo vola ihany anefa no masaka ao an-tsainy, dia manjary miady saina be izy ary manadino an’Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa hoatran’ny hoe latsaka ao anaty fandrika ny olona tia vola loatra, ka toy ny ‘manindrona ny tenany amin-javatra maro mampanaintaina.’—1 Timoty 6:10.

Tsy mahatsiaro ho sambatra mihitsy ny olona tsy mety afa-po, satria tsy ampy azy foana izay vola azony. “Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany. Ary izay tia harena koa tsy ho afa-po amin’izay harena azony.”—Mpitoriteny 5:10.

Be dia be mihitsy eran-tany no niloka mba ho fialam-boly fotsiny, nefa lasa tsy afaka intsony. Any Etazonia fotsiny, dia mahatratra an-tapitrisany ny olona lasa mpiloka be, araka ny mpanao fanadihadiana.

Milaza ny ohabolana iray hoe: “Raha fitiavan-karena no nahazoana lova tany am-piandohana, dia tsy hitondra fitahiana izany any am-parany.” (Ohabolana 20:21) Midika izany fa tsy mahasoa akory ny vola azo amin’ny loka. Mpiloka maro no lasa bokan-trosa na fongana tanteraka ny fananany. Misy aza voaroaka amin’ny asany, na lasa miady amin’ny namany, na misaraka amin’ny vadiny mihitsy. Tena ratsy tokoa ny vokatry ny filokana. Tsy voatery ho tratran’izany anefa ianao, raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.

“Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena.”1 Timoty 6:9.