Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Jorery Mitsambikina

Ny Fahaizan’ny Jorery Mitsambikina

NOERITRERETINA foana hatramin’izay hoe ny olombelona no namorona an’ireo kodia misy kinifinifiny mampandeha milina. Hay tsy izany akory! Manana hoatran’io koa ny zanaka jorery fahita any Eoropa. *

Afaka mitsambikina any amin’ny efatra metatra latsaka kely ny zanaka jorery, ao anatin’ny fotoana faran’izay fohy. Avo 400 heny eo ho eo noho ny hery misinton’ny tany ny hery avoakan’ny vatany. Ao anatin’ny indray mipy maso izy dia efa tsy hita. Mahavita mitsambikina toy izany ilay jorery, satria miara-miasa ny tongony roa ao aoriana mba hamoahana hery mitovy, amin’ny fotoana iray ihany. Ahoana no ahavitany an’izany?

Diniho izao: Nahitan’ny mpahay siansa karazana kodia misy kinifinifiny ao amin’ny tongotry ny jorery ao aoriana. Izy io no mampiaraka tsara ny tongony rehefa hitsambikina izy. Raha tsy izany dia hihodinkodina fotsiny ilay jorery.

Miantehitra amin’ny atidohany ny biby lehibe kokoa rehefa hitsambikina, satria izy io no mibaiko ny tongony. Miadana be anefa ny fiasan’ny atidohan’ny zanaka jorery, ka izany no ilany an’ilay karazana kodia. Hoy ilay mpikaroka atao hoe Gregory Sutton: “Nieritreritra foana izahay hatramin’izay hoe ao amin’ireo milina namboarin’ny olombelona ihany no ahitana kodia misy kinifinifiny.” Hay diso hevitra izy ireo, satria “tsy nandinika tsara” ny zavaboary.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny fahaizan’ny jorery mitsambikina, sa nisy namorona?

^ feh. 3 Miala izy io rehefa miofo farany ny jorery ka lasa matoy.