Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Manampy eo Amin’ny Fiainana

Torohevitra Manampy eo Amin’ny Fiainana

“Malahelo aho rehefa mahita zavatra ratsy mitranga, ohatra hoe ady, fahantrana, aretina, ary fampijaliana ankizy. Tsy kivy be intsony anefa aho izao.”​—RANI. *

Nahatsiaro ho sambatra i Rani rehefa nahafantatra hoe afaka manome torohevitra tsara ho antsika ny Mpamorona, izany hoe ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Vakio ny lahatsoratra ato dia ho hitanao hoe manampy antsika ny toroheviny mba...

  • hahasambatra ny fianakaviantsika

  • hahaizantsika mifandray tsara amin’ny hafa

  • ho falifaly sy ho afa-po

  • hahalala hoe nahoana isika no mijaly sy maty

  • hatoky hoe tsy hijaly intsony isika fa ho sambatra

  • hahafantatra ny Mpamorona sy ho lasa namany

Ho hitanao koa hoe tsy natao ho an’olona vitsivitsy ny torohevitra avy amin’ny Mpamorona fa ho an’izay rehetra mitady azy.

^ feh. 2 Novana ny anarana ato amin’ity gazety ity.