Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIKORONTANA IZAO TONTOLO IZAO

2 | Arovy ny Fanananao

2 | Arovy ny Fanananao

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Betsaka ny olona mitrongy vao homana isan’andro. Mampalahelo fa vao mainka mafy ny mahazo an-dry zareo, rehefa mikorontana izao tontolo izao. Fa maninona?

  • Midangana ny vidim-piainana, anisan’izany ny vidin’ny sakafo sy ny hofan-trano.

  • Vao mainka mitombo ny olona tsy an’asa, na mihena ny karama.

  • Vokatry ny loza, dia mety ho simba na rava ny toeram-piasana, trano, na ny fananana hafa, ka betsaka no lasa mahantra.

Tsara ho fantatra

  • Arakaraka ny hahaizanao mitantam-bola no hahavitanao hiatrika olana.

  • Tadidio fa tsy voatery hoe hilamina be foana ny fiainanao. Mety tsy hahavoavonjy anao ny vola, na tahiry, na fananana hafa.

  • Misy zavatra tsy voavidin’ny vola, ohatra hoe ny fahasambarana sy ny fianakaviana miray saina.

Ny azonao atao

Hoy ny Baiboly: “Rehefa manana sakafo sy fitafiana isika, dia hianina amin’izany.”​—1 Timoty 6:8.

Mahay mianina isika raha afa-po rehefa mahazo an’izay tena ilaina isan’andro fa tsy be sitrapo. Tena ilaina izany, indrindra raha lasa kely ny vola miditra.

Mety hila hanova ny fomba fiainanao ianao raha te hahay hianina. Raha mihoatra ny vola miditra mantsy ny vola mivoaka, dia vao mainka ianao ho sahirana.