Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO HANAMPY ANAO HIZAKA NY FAHORIANAO?

Fahoriana Faran’izay Mafy

Fahoriana Faran’izay Mafy

“Narary mafy i Anja a dia maty. Efa nivady nandritra ny 39 taona mahery izahay tamin’izay. Nanampy be an’ahy ny namako, ary niezaka ny ho be atao foana aho. Nalahelo be foana anefa aho nandritra ny herintaona. Tsy nahavita nifehy ny fihetseham-poko mihitsy aho. Efa telo taona izay izy no maty, nefa misy fotoana aho mbola malahelo be tampoka.”—Benja.

Azonao tsara angamba ny mahazo an’i Benja, raha efa maty ny vadinao na ny havanao na ny namanao akaiky. Miaiky ny manam-pahaizana hoe izany no anisan’ny mampijaly indrindra eo amin’ny fiainana. Milaza ny Gazety Amerikanina Momba ny Aretin-tsaina fa “tena mafy amin’ny olona ny hoe mamoy havana na namana tena tiana, satria mieritreritra izy hoe tsy hahita azy intsony.” Mety ho lasa saina ny olona toy izany hoe: ‘Halahelo be hoatr’izao foana ve aho, sa mbola ho falifaly indray? Inona no azoko atao?’

Hovaliana ato amin’ity gazety ity ireo fanontaniana ireo. Hohazavaina ao amin’ny lahatsoratra manaraka, ohatra, hoe inona ny zavatra mety ho tsapanao sy ny olana mety hatrehinao. Misy torohevitra hanampy anao tsy halahelo be loatra koa ato.

Enga anie ka hampahery sy hanampy an’ireo nidonam-pahoriana ity gazety ity!

a Novana ny anarana sasany ato amin’ity gazety ity.