Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fihetseham-po

Fihetseham-po

Mampitandrina antsika ny Baiboly fa misy vokany ratsy ny fihetseham-po sasany. Mampirisika antsika àry izy io mba hanana toetra tsara hanampy antsika ho tony.

HATEZERANA

TORO LALANA: “Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka.”—Ohabolana 16:32.

AHOANA IZANY? Handray soa isika raha miezaka mifehy ny hatezerantsika. Rariny raha tezitra isika indraindray. Ho ratsy be anefa ny vokany raha tsy voafehintsika ilay izy. Mety hilaza na hanao zavatra hanenenany mantsy ny olona iray rehefa tezitra be.

INONA NO AZONAO ATAO? Miezaha hifehy ny hatezeranao, dieny mbola tsy mahateny na mahavita zavatra mety hanenenanao ianao. Misy milaza hoe ny olona mampiseho ny hatezerany no tena mahery. Malemy anefa ny olona hoatr’izany raha ny marina. Milaza ny Baiboly hoe: “Toy ny tanàna voagorobaka, tsy misy manda, ny olona tsy mahafehy ny fahatezerany.” (Ohabolana 25:28) Inona àry no hanampy anao hifehy ny hatezeranao? Fantaro ny tena zava-misy fa aza mihaino feon-dakolosy tokana. Ho tony kokoa ianao amin’izay. Hoy ny Ohabolana 19:11: “Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina.”

MAHAY MANKASITRAKA

TORO LALANA: “Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.”—Kolosianina 3:15.

AHOANA IZANY? Sambatra ny olona rehefa faly amin’izay ananany. Na ireo namoy havana, na namana, na fananana aza miaiky an’izany. Nankasitraka an’izay zavatra mbola nananany izy ireo, fa tsy nifantoka tamin’izay zavatra efa nafoiny. Nanampy azy ireo ho falifaly indray izany.

INONA NO AZONAO ATAO? Ataovy lisitra ny zavatra mahafaly anao, isan’andro. Mety ho zavatra kely ilay izy. Anisan’izany ny masoandro mody, ny resaka mahafinaritra nataonao niaraka tamin’ny olona iray tianao, ary na dia ilay ianao mbola velon’aina fotsiny aza. Ho falifaly kokoa ianao, raha maka fotoana hieritreretana azy ireny sady mankasitraka azy ireny.

Eritrereto, ohatra, hoe nahoana ianao no tena faly manana ny fianakavianao sy ny namanao. Resaho mivantana aminy ilay izy avy eo, na soraty amin’ny taratasy, na e-mail, na SMS. Vao mainka hifankatia ianareo amin’izay. Ho sambatra koa ianao, satria manao zavatra ho an’ny hafa.—Asan’ny Apostoly 20:35.

TORO LALANA HAFA

Afaka maka Baiboly noraisim-peo ianao, ao amin’ny jw.org. Misy amin’ny fiteny 40 eo ho eo ilay izy ao

AZA MIFAMALY AMIN’OLONA.

“Ny fiandohan’ny fifandirana dia toy ny mamaky tohodrano, koa mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.”—OHABOLANA 17:14.

AZA MANAHY BE LOATRA.

“Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.”—MATIO 6:34.

AZA MORA ENTIM-PO FA MANDINIHA TSARA ALOHA.

“Hiambina anao ny fahaiza-misaina, ary hiaro anao ny fahaiza-manavaka.”—OHABOLANA 2:11.