Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANTARO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Fakam-panahy

Fakam-panahy

Rava tokantrano, marary, enjehin’ny eritreritra ... Izany no vokany rehefa manaiky ho resin’ny fakam-panahy ny olona iray. Inona àry no azontsika atao mba tsy ho resin’ny fakam-panahy isika?

Inona no atao hoe fakam-panahy?

Alaim-panahy ianao rehefa mitady hanao zavatra iray, indrindra fa zavatra ratsy. Intỳ misy ohatra: Aoka hatao hoe mahita zavatra tena tianao ianao eny an-tsena. Hoy ianao anakampo: “Tsisy hahita aho izao raha angalariko ity!” Tsy eken’ny eritreritrao anefa ny hanao an’izany. Niova hevitra àry ianao dia lasa. Resinao ilay fakam-panahy!

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

 

Tsy hoe olon-dratsy akory ianao, matoa alaim-panahy hanao ratsy. Milaza ny Baiboly fa manjo antsika rehetra izany. (1 Korintianina 10:13) Izay ataontsika manoloana ny fakam-panahy no tena zava-dehibe. Misy mikolokolo an’ilay fanirian-dratsy, dia manatanteraka an’ilay izy ihany amin’ny farany. Ny hafa indray tonga dia mandositra an’ilay fakam-panahy, satria fantany hoe ratsy ilay izy.

“Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany.”​—Jakoba 1:14.

Nahoana no ilaina ny manao zavatra haingana rehefa alaim-panahy?

Misy dingana maromaro mahatonga ny olona iray hanao ratsy. Hoy ny Jakoba 1:15: “Ny faniriana [ratsy] rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana.” Raha fanirian-dratsy foana àry no kolokolointsika ao anatintsika, dia hotanterahintsika ilay izy amin’ny farany. Tsy misy hafa amin’ny hoe tsy maintsy ho teraka ny vehivavy iray bevohoka. Tsy voatery hobaikoin’ny fanirian-dratsy anefa isika, fa azontsika fehezina izy ireny.

INONA NY TOROHEVITRY NY BAIBOLY?

 

Afaka mampitombo na manala ny fanirian-dratsy ao amintsika ny saintsika. Amin’ny fomba ahoana? Afantohy amin-javatra hafa ny saina, ohatra hoe miresaha amin’ny namana, na mieritrereta zavatra tsara. (Filipianina 4:8) Tsara koa ny misaintsaina an’izay ho vokany raha manaiky ho resin’ny fakam-panahy isika, anisan’izany ny vokany eo amin’ny vatantsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. (Deoteronomia 32:29) Manampy be koa ny vavaka. Hoy i Jesosy Kristy: “Mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.”—Matio 26:41.

“Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

Inona no azo atao mba tsy ho mora resin’ny fakam-panahy?

NY ZAVA-MISY:

 

Tadidio fa fandrika mety hahitan-doza ny fakam-panahy, raha olona tsy misaina tsara sy mora ambakaina ary tsy mailo no tratran’ilay izy. (Jakoba 1:14) Tena marina izany, indrindra raha alaim-panahy hijangajanga izy.—Ohabolana 7:22, 23.

INONA NY TOROHEVITRY NY BAIBOLY?

 

Hoy i Jesosy Kristy: ‘Raha ny masonao havanana no mahatonga anao hanota, dia esory ka ario lavitra anao.’ (Matio 5:29) Tsy ara-bakiteny akory izany! Te hilaza kosa izy fa mila vonointsika ny fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatantsika, raha te hampifaly an’Andriamanitra sy hiaina mandrakizay isika. (Kolosianina 3:5) Mety hila hanao zavatra hentitra mihitsy isika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy. Nisy mpanompon’Andriamanitra nivavaka hoe: “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko.”—Salamo 119:37.

Tsy mora aloha ny mifehy tena e! “Malemy” mantsy “ny nofo.” (Matio 26:41) Ampoizina àry hoe hanao fahadisoana isika. ‘Hamindra fo sy ho tsara fanahy’ amintsika anefa i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika, raha tena manenina isika ary miezaka mafy tsy hamerimberina an’ilay fahadisoana. (Salamo 103:8) Mampahery tokoa izany!

“Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao, ry Jah ô, iza no hahajoro, Jehovah ô?”—Salamo 130:3.