Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | HORAISINAO VE ILAY FANOMEZANA SAROBIDY NOMEN’ANDRIAMANITRA?

Nahoana no Tena Sarobidy Ilay Fanomezana?

Nahoana no Tena Sarobidy Ilay Fanomezana?

Fanomezana hoatran’ny ahoana no tena sarobidy aminao? Azo inoana fa miankina amin’ireto ny valiny: 1) Iza no nanome an’ilay izy? 2) Nahoana ilay izy no nomena? 3) Inona no nafoiny mba hanomezana azy io? 4) Tena ilaina ve ilay fanomezana? Raha misaintsaina an’ireo ianao, dia hankasitraka kokoa an’ilay fanomezana faran’izay sarobidy nomen’Andriamanitra na ny vidim-panavotana.

IZA NO NANOME AZY IO?

Sarobidy amintsika ny fanomezana sasany, satria nomen’olona manana fahefana na olona tena hajaintsika. Misy indray tsy dia lafo nefa tena tiantsika, satria avy amin’ny havana na namana tsy foy, hoatran’ilay an’i Jordan voaresaka teo aloha. Ahoana kosa ny amin’ilay vidim-panavotana?

Voalohany, milaza ny Baiboly fa ‘nirahin’Andriamanitra ho amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany.’ (1 Jaona 4:9) Tena sarobidy àry io fanomezana io. Tsy misy manana fahefana mihoatra noho Andriamanitra mantsy, ka hoe afaka manome fanomezana ho antsika. Hoy ny Salamo 83:18: “Ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”

Faharoa, ‘Raintsika’ Andriamanitra. (Isaia 63:16) Izy mantsy no nanome aina antsika. Mikarakara antsika toy ny ataon’ny ray be fitiavana amin’ny zanany koa izy. Hoy Andriamanitra momba ny vahoakany fahiny, izay nantsoiny hoe Efraima: “Tsy zanaka tena tiako ve i Efraima, ary zanaka mamin’ny foko? . . . Tena hiantra azy aho.” (Jeremia 31:20) Izany koa izao no tsapan’Andriamanitra amin’ny mpanompony. Mpamorona mahery indrindra izy, nefa koa Ray sy Namana tsy mivadika. Tsy mahatonga antsika hankamamy an’izay fanomezana rehetra omeny ve izany?

NAHOANA IZY IO NO NOMENA?

Sarobidy ny fanomezana sasany satria nomena tamim-pitiavana fa tsy an-tery. Tsy miandry valiny ny olona tena malala-tanana.

Nomen’Andriamanitra antsika ny Zanany satria tena tiany isika. ‘Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra tamintsika: Nirahiny ny Zanany lahitokana.’ Nahoana? “Mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany.” (1 Jaona 4:9) Tsy maintsy nanao an’izany ve Andriamanitra? Tsia. Ny “hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa” no nanomezany an’ilay “vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy.”​—Romanina 3:24.

Hoy mantsy ny Romanina 5:8: ‘Andriamanitra naneho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.’ Tena be fitiavana Andriamanitra ka nanao zavatra ho an’ny olombelona malemy sy mpanota ary tsy afa-manoatra. Tsy mitady valiny ny fitiavany. Tsy mendrika an’izany isika, ary tsy ho voavalintsika mihitsy ny nataony. Ilay fanomezana nataony no porofom-pitiavana lehibe indrindra hatramin’izay.

INONA NO NAFOIN’ILAY NANOME?

Sarobidy ny fanomezana sasany satria nahafoy zavatra be ilay nanome. Misy vidiny be amintsika ny fanomezana iray, raha tena sarobidy tamin’ilay olona nanome izy io nefa nafoiny ho antsika.

Nanome “ny Zanany lahitokana” Andriamanitra. (Jaona 3:16) Tsy misy tiany mihoatra noho io zanany io, nefa nafoiny ho antsika izy io. Niara-niasa taminy i Jesosy, nandritra ny fotoana lava be namoronana an’izao rehetra izao. ‘Tena tia azy isan’andro isan’andro’ Andriamanitra. (Ohabolana 8:30) “Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” i Jesosy, sady “Zanany tiany.” (Kolosianina 1:13-15) Tsy mbola nisy nifandray akaiky toa azy ireo mihitsy!

Na izany aza dia “tsy mba niaro ny Zanany” i Jehovah. (Romanina 8:32) Nomeny antsika ilay tsara indrindra. Mbola tsy nahafoy zavatra be hoatr’izany mihitsy izy.

TENA ILAINA VE IZY IO?

Sarobidy ny fanomezana sasany satria tena ilaina, na iankinan’ny aina mihitsy aza. Ahoana, ohatra, raha tsy manam-bola hitsaboana tena ianao, nefa misy vonona hiantoka ny lany rehetra mba hamonjena ny ainao? Tsy ho velom-pankasitrahana ve ianao? Tena sarobidy ny fanomezana toy izany.

“Tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.” (1 Korintianina 15:22) Marary sy maty daholo isika satria taranak’i Adama. Meloka eo anatrehan’Andriamanitra koa isika, ary tsy afaka ny hihavana aminy. Tsinontsinona isika, ka tsy hahavita ‘hamelona’ ny tenantsika na ny olon-kafa. Hoy ny Salamo 49:7, 8: “Tsy misy amin’izy ireo mahavita manavotra ny rahalahiny, na manome an’Andriamanitra ny vidim-panavotana ho azy, . . . tsy ho voaloa mandritra ny fotoana tsy voafetra” izany. Tsy ho vitantsika samirery àry ny hanavotra ny tenantsika, fa tena mila fanampiana isika.

Soa fa be fitiavana i Jehovah ka nanaiky hiantoka an’ilay ‘fitsaboana’ mamonjy aina, mba “hamelomana ny rehetra” amin’ny alalan’i Jesosy. Amin’ny fomba ahoana? “Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.” Afaka ny ho voavela heloka sy hiaina mandrakizay àry izay mino ny ran’i Jesosy. (1 Jaona 1:7; 5:13) Ahoana kosa ny amin’ireo havantsika efa maty? “Satria olona iray no niavian’ny fahafatesana, dia olona iray [Jesosy] koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty.”—1 Korintianina 15:21. *

Fanomezana tsy manan-tsahala ny soron’i Jesosy. Ilay Andriamanitra Avo Indrindra mantsy no nanome azy io noho izy tena tia antsika. Tsy nisy nahafoy zavatra sarobidy hoatr’azy hatramin’izay. Tsy misy fanomezana hafa tena ilaintsika mihoatra noho ilay sorona, satria manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana izy io. Faran’izay sarobidy ny vidim-panavotana, ka tsy misy fanomezana mifanahantsahana aminy na iray aza!

 

^ feh. 19 Manazava bebe kokoa momba ny fikasan’Andriamanitra hanangana ny maty ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary azo jerena ao amin’ny www.mr1310.com/mg.