Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Avela Hisy na Inona na Inona Hampanalavitra Anao Amin’i Jehovah

Aza Avela Hisy na Inona na Inona Hampanalavitra Anao Amin’i Jehovah

“Fidio anio izay hotompoinareo.”—JOS. 24:15.

1-3. a) Nahoana i Josoa no ohatra tsara ho antsika? b) Inona no tokony hotadidintsika rehefa hanapa-kevitra?

TENA zava-dehibe ny safidy ataontsika. Maro ny safidy azo atao, kanefa ny safidy ataontsika no hanampy antsika hanatratra ny tanjontsika. Azo ampitahaina amin’ity ohatra ity izany: Aoka hatao hoe misy lehilahy iray mandeha amin’ny lalankely iray. Mizara roa anefa ilay lalana avy eo. Aiza no halehan’ilay lehilahy? Mila misafidy izy eo. Azo inoana fa izay lalana mitondra azy any amin’ny toerana tiany haleha no hofidiny, fa tsy izay lalana hampanalavitra azy an’ilay toerana.

2 Tsy maintsy nanapa-kevitra toy izany ny olona maro voaresaka ao amin’ny Baiboly. Tsy maintsy nisafidy, ohatra, i Kaina na hifehy ny hatezerany na tsia. (Gen. 4:6, 7) Tsy maintsy nisafidy koa i Josoa na hanompo an’ilay tena Andriamanitra na hanompo sampy. (Jos. 24:15) Ny hifandray akaiky amin’i Jehovah foana no tanjon’i Josoa, ka izay fomba hahafahany manatratra ny tanjony no nofidiny. Tsy izany kosa no tanjon’i Kaina, ka ratsy ny safidy nataony, ary nahatonga azy hanalavitra an’i Jehovah.

3 Mety ho maromaro koa ny safidy ananantsika indraindray. Ilaintsika amin’izay fotoana izay ny mitadidy ny tanjontsika, dia ny hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-drehetra, ary tsy hanao na inona na inona hampanalavitra antsika aminy. (Vakio ny Hebreo 3:12.) Hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka ireo zavatra fito mila tandremantsika, satria mety hampanalavitra antsika amin’i Jehovah.

NY ASA FIVELOMANA

4. Nahoana no tena ilaina ny miasa?

4 Manana adidy hamelona ny tenany sy ny mpianakaviny ny Kristianina. Asehon’ny Baiboly fa raha misy olona tsy  mety manome izay ilain’ny ankohonany, dia ratsy noho ny tsy mino izy. (2 Tes. 3:10; 1 Tim. 5:8) Tena ilaina àry ny miasa. Raha tsy mitandrina anefa isika, dia mety hampanalavitra antsika amin’i Jehovah ny asa fivelomana. Ahoana no mety hitrangan’izany?

5. Inona ny zava-dehibe mila dinihina rehefa hifidy asa?

5 Aoka hatao hoe mitady asa ianao. Raha sarotra ny mahita asa, dia mety halaim-panahy ianao hanaiky izay asa hitanao, na inona izany na inona. Diniho anefa izao: Ahoana raha mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny zavatra atao amin’ilay izy? Ahoana raha handeha lavitra foana ianao vokatr’ilay asa, na tsy mety ny fotoana hiasana, ka ho voahelingelina ny fanompoanao an’i Jehovah na ho tafasaraka amin’ny fianakavianao ianao? Hanaiky an’ilay asa ihany ve ianao, ka hieritreritra hoe aleo manao an’io asa io na dia tsy tena mety aza, toy izay tsy manana asa? Tadidio fa raha ratsy ny safidinao, dia mety hanalavitra an’i Jehovah ianao. (Heb. 2:1) Inona àry no hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara, raha mitady asa ianao, na mieritreritra hiova asa?

6, 7. a) Inona avy no mety ho tanjon’ny olona amin’ny asa ataony? b) Iza amin’ireo tanjona ireo no hahatonga antsika hifandray akaiky amin’i Jehovah? Nahoana no lazaina fa mahatonga antsika ho akaiky an’i Jehovah io tanjona io?

6 Tadidio foana ny tanjonao. Saintsaino hoe inona no antony iasanao. Inona no tanjonao amin’io asa io? Raha, ohatra, ny tanjonao ka ny hamelomanao ny fianakavianao mba hahafahanareo mianakavy manompo an’i Jehovah, dia hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao. (Mat. 6:33) Tsy tapi-dalan-kaleha i Jehovah, fa afaka manampy anao foana, na very asa ianao, ary na mitotongana be aza ny toe-karena. (Isaia 59:1) Hain’i Jehovah ‘afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho azy.’—2 Pet. 2:9.

7 Ahoana anefa raha ny hahazo vola be no tena antony iasanao? Mety ho tanteraka tokoa izany. Na ho lasa mpanankarena aza anefa ianao, dia tadidio fa hovidinao lafo izany. (Vakio ny 1 Timoty 6:9, 10.) Hanjary hanalavitra an’i Jehovah ianao, raha ny asa fivelomana sy ny harena no zava-dehibe indrindra aminao.

8, 9. Inona no tokony hosaintsainin’ny ray aman-dreny mahakasika ny asa?

8 Raha manan-janaka ianao, dia eritrereto hoe inona no modely omenao azy ireo. Inona no hitan’izy ireo hoe zava-dehibe indrindra aminao: Ny asanao ve, sa ny fifandraisanao amin’i Jehovah? Ahoana raha hitan’izy ireo hoe ny toerana ambony na ny harena no tena katsahinao? Mety hanaraka anao amin’izany lalana mampidi-doza izany ve izy ireo rehefa lehibe? Mety hahatonga azy ireo tsy hanaja anao koa anefa izany. Hoy ny tanora kristianina iray: “Efa niasa be foana ny dadanay hatramin’izay nahatsiarovako azy. Niasa mafy izy tamin’ny voalohany mba hanomezana anay ny tsara indrindra. Te hikarakara anay tsara izy. Niova anefa izany tatỳ aoriana. Lasa miasa foana izy, ary mividy zavatra tsy ilainay akory fa haitraitra fotsiny. Lasa fianakaviana manan-karena no ahafantaran’ny olona anay, fa tsy mba fianakaviana mampirisika ny hafa hanompo an’i Jehovah. Aleoko izy miasa mafy mikarakara anay ara-panahy, toy izay miasa mafy mba hahazoana vola be.”

9 Ry ray aman-dreny, aza variana be loatra amin’ny asa fivelomana, fa hampanalavitra anao amin’i Jehovah izany. Aoka ianareo ho modely ho an’ny zanakareo. Asehoy azy ireo fa tena mino ianao hoe ny harena ara-panahy no sarobidy indrindra, fa tsy ny harena ara-nofo.—Mat. 5:3.

10. Inona no tokony hoeritreretin’ny tanora momba ny asa hataony any aoriana?

10 Ahoana indray raha tanora ianao, ary mieritreritra momba ny asa tianao hatao any aoriana? Inona no hanampy anao hanao safidy tsara? Efa noresahintsika fa tokony ho fantatrao aloha hoe inona no tanjonao eo amin’ny fiainana.  Eritrereto avy eo hoe hanampy anao hanompo bebe kokoa an’i Jehovah ve ny fiofanana na ny asa eritreretinao hatao, sa hahatonga anao hanalavitra azy? (2 Tim. 4:10) Mieritreritra ny olona eto amin’ity tontolo ity hoe raha tsy be vola izy dia tsy ho sambatra. Te hanahaka azy ireny ve ianao? Sa ianao hatoky an’i Jehovah toa an’i Davida? Hoy izy: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka hanina.” (Sal. 37:25) Tadidio foana hoe misy safidy hahatonga anao hanalavitra an’i Jehovah, ary misy safidy hanampy anao hanana fiainana faran’izay tsara. (Vakio ny Ohabolana 10:22; Malakia 3:10.) Iza no hofidinao? *

NY FIALAM-BOLY

11. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fialam-boly, nefa inona no tokony hotadidintsika?

11 Tsy mandrara antsika tsy hifalifaly ny Baiboly. Tsy milaza koa izy io hoe fandaniam-potoana fotsiny ny fialana voly. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena.” (1 Tim. 4:8) Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe misy “fotoana ihomehezana” ary misy “fotoana itsinjahana.” Mampirisika antsika koa izy io mba hiala sasatra. (Mpito. 3:4; 4:6) Mety hampanalavitra anao amin’i Jehovah anefa ny fialam-boly, raha tsy mitandrina ianao. Ahoana no mety hitrangan’izany? Miankina amin’ny karazana fialam-boly fidinao, na ny fotoana laninao amin’ilay izy, no mety hahatonga an’ilay izy hampidi-doza.

Mamelombelona ny fialam-boly raha fialam-boly tsara no ataontsika, ary tsy be loatra ny fotoana lanintsika amin’ilay izy

12. Inona avy no tokony hoeritreretinao momba ny fialam-boly fidinao?

12 Voalohany, inona ilay karazana fialam-boly tokony hofidina? Matokia fa tena misy ny fialam-boly tsara azo atao. Maro anefa ny fialam-boly ahitana zavatra halan’Andriamanitra, toy ny herisetra, fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, ary firaisana tsy ara-dalàna. Mila dinihinao tsara àry hoe manao ahoana ny fialam-boly ataonao. Inona no vokatr’ilay izy eo aminao? Mampirisika anao hahery setra, na ho tia mifaninana, na hanindrahindra firenena ve ilay izy? (Ohab. 3:31) Mandany ny volanao ve ilay izy? Mety hisy olona ho tafintohina ve raha fantany hoe manao an’io fialam-boly io ianao?  (Rom. 14:21) Olona manao ahoana no tafaraka aminao rehefa manao an’ilay izy ianao? (Ohab. 13:20) Mahatonga anao hanana fanirian-dratsy ve ilay izy?—Jak. 1:14, 15.

13, 14. Inona avy no tokony hoeritreretinao momba ny fotoana ialanao voly?

13 Faharoa, manao ahoana ny fotoana laninao amin’ny fialam-boly? Diniho hoe mandany fotoana be hialana voly ve ianao, ka tsy dia manam-potoana firy hikarakarana ny lafiny ara-panahy. Raha manao izany ianao, dia tsy hahatsiaro ho velombelona. Mahita fifaliana kokoa ny olona tsy mandany fotoana be loatra amin’ny fialam-boly. Nahoana? Satria efa vitany daholo ireo “zava-dehibe kokoa”, vao miala voly izy, ka tsy manenjika azy ny eritreriny.—Vakio ny Filipianina 1:10, 11.

14 Hoatran’ny mahafinaritra ny hoe mandany fotoana be amin’ny fialam-boly. Mety hampanalavitra antsika amin’i Jehovah anefa izany. Nahatsapa an’izany i Kim, anabavy 20 taona. Hoy izy: “Nandeha foana aho taloha raha vao nisy fiaraha-mikorana, nefa nisy fiaraha-mikorana foana isaky ny faran’ny herinandro, na zoma, na asabotsy, na alahady. Hitako anefa izao hoe misy zava-dehibe kokoa noho izany. Mpisava lalana aho, ary mifoha amin’ny enina maraina isan’andro mba hahafahako manompo. Tsy mety amiko àry ny mamonjy fiaraha-mikorana hatramin’ny iray na amin’ny roa maraina! Fantatro fa tsy ratsy daholo ny fiarahana rehetra, kanefa mety hahatonga ahy ho variana izy ireny. Tena ilaina ny mandanjalanja amin’io resaka io, toy ny amin’ny zava-drehetra ihany.”

15. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hahafahan’ny zanany hanao fialam-boly mamelombelona?

15 Mila mikarakara izay ilain’ny tenany sy ny fianakaviany ny ray aman-dreny, na eo amin’ny lafiny ara-batana izany, na ara-panahy, na ara-pihetseham-po. Tafiditra amin’izany ny fikarakarana ny fialam-boly. Raha ray aman-dreny ianao, dia aza mihevitra hoe ratsy daholo rehefa fialam-boly, ka hisakana ny hafa tsy hifalifaly. Mitandrema koa anefa satria misy fialam-boly ratsy. (1 Kor. 5:6) Hahita fialam-boly hamelombelona ny fianakavianao ianao, raha mandinika tsara mialoha. * Hanampy anareo mianakavy hifandray akaiky amin’i Jehovah ianao, raha manao izany.

NY FIFANDRAISANA AMIN’NY MPIANAKAVY

16, 17. Inona no zavatra mampalahelo atrehin’ny ray aman-dreny maro, ary ahoana no ahalalantsika fa mahatakatra ny fahorian’izy ireny i Jehovah?

16 Nampitahain’i Jehovah tamin’ny fitiavan’ny reny ny zanany ny fitiavany ny vahoakany, satria tena mafy be ny fifankatiavan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. (Isaia 49:15) Ara-dalàna àry raha malahelo be isika, rehefa misy mpianakavintsika miala amin’i Jehovah. Hoy ny anabavy iray manan-janakavavy voaroaka: “Tena kivy be aho, ary lasa saina hoe: ‘Fa nahoana re izy no niala tamin’i Jehovah e?’ Nahatsiaro ho tompon’andraikitra tamin’ilay izy aho, ka nanamelo-tena.”

17 Raha izany no manjo anao, dia tadidio fa mahatakatra ny fahorianao i Jehovah. “Nalahelo ny fony” rehefa nikomy ny zanany voalohany teto an-tany, ary tatỳ aoriana aza, dia mbola nikomy koa ny ankamaroan’ny olona, izay niaina talohan’ny Safodrano. (Gen. 6:5, 6) Mety tsy ho takatry ny olona mbola tsy nanana mpianakavy voaroaka ny alahelo be tsapanao. Tsy mety anefa raha avelanao hampanalavitra anao amin’i Jehovah ny zavatra tsy nety nataon’ilay mpianakavinao. Inona àry no afaka manampy anao hizaka ny alahelonao?

18. Nahoana ny ray aman-dreny no tsy tokony hanamelo-tena raha niala tamin’i Jehovah ny zanany?

18 Aza manamelo-tena noho izay nitranga. Nomen’i Jehovah safidy ny olombelona, ka anjaran’ny mpianakavy tsirairay nanokan-tena  sy vita batisa ny misafidy na hanompo an’i Jehovah izy na tsia. Milaza ny Baiboly fa “samy hitondra ny entany avy” ny tsirairay. (Gal. 6:5) Ilay olona nanota, fa tsy ianao, no tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah amin’izay safidy nataony. (Ezek. 18:20) Aza manameloka ny hafa ihany koa. Hajao ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hanafaizana ny mpanota. Aoka ianao hanohitra ny Devoly, fa tsy hanohitra an’ireo mpiandry miezaka miaro ny fiangonana.—1 Pet. 5:8, 9.

19, 20. a) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hizakana ny alahelony noho ny zanany voaroaka? b) Afaka manantena inona ireny ray aman-dreny ireny?

19 Hanjary hanalavitra an’i Jehovah koa ianao, raha tezitra aminy noho izay nitranga tamin’ny zanakao. Tokony ho hitan’ilay zanakao hoe zava-dehibe aminao kokoa noho ny zavatra hafa rehetra ny fifandraisanao amin’i Jehovah, ary mbola zava-dehibe noho ny fifandraisanao amin’ny mpianakavinao aza. Miezaha àry mba hanatanjaka ny ara-panahinao. Aza mitokantokana fa miaraha amin’ireo rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana. (Ohab. 18:1) Resaho amin’i Jehovah ny fihetseham-ponao. (Sal. 62:7, 8) Aza mitady fialan-tsiny mba hifandraisana amin’ilay voaroaka, ka hanjary hifanoratra aminy, ohatra, na hiantso azy an-telefaonina. (1 Kor. 5:11) Miezaha ho be atao eo amin’ny ara-panahy. (1 Kor. 15:58) Hoy ilay anabavy voaresaka tetsy aloha: “Fantatro hoe tsy maintsy be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah aho sady miezaka hatanjaka ara-panahy foana, mba ho vonona hanampy ny zanako rehefa miverina amin’i Jehovah izy.”

Tsy diso isika raha manantena fa mbola hiverina amin’i Jehovah ny mpianakavintsika

20 Milaza ny Baiboly hoe “manantena ny zava-drehetra” ny fitiavana. (1 Kor. 13:4, 7) Tsy diso àry ianao raha manantena fa hiverina ny mpianakavinao. Olona maro no mibebaka isan-taona, ka miverina ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Tsy tezitra amin’izy ireo intsony i Jehovah, fa “vonona hamela heloka.”—Sal. 86:5.

MANAOVA SAFIDY TSARA

21, 22. Ahoana no tianao hampiasana ny safidy malalaka nomena anao?

21 Nomen’i Jehovah safidy malalaka ny olombelona. (Vakio ny Deoteronomia 30:19, 20.) Misy andraikitra lehibe koa anefa miaraka amin’izany. Mila misaintsaina ny Kristianina tsirairay hoe: ‘Manao safidy tsara ve aho eo amin’ny fiainako? Avelako hampanalavitra ahy amin’i Jehovah ve ny asako sy ny fialam-boly ataoko ary ny fifandraisako amin’ny mpianakavy?’

22 Tsy miova mihitsy ny fitiavan’i Jehovah ny vahoakany. Matoa isika tafasaraka amin’i Jehovah, dia isika mihitsy no misafidy hanao safidy ratsy. (Rom. 8:38, 39) Tsy voatery hitranga anefa izany. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny tsy hamela na inona na inona hampanalavitra anao amin’i Jehovah. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny zavatra efatra hafa ilantsika fitandremana.

^ feh. 10 Raha mila fanazavana bebe kokoa momba ny fifidianana asa ianao, dia jereo ny toko faha-38 amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2.

^ feh. 15 Misy soso-kevitra maromaro ao amin’ny Mifohaza! Novambra 2011, pejy 17-19.