Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Milaza ny Jaona 11:35 fa nirotsaka ny ranomason’i Jesosy talohan’ny hananganany an’i Lazarosy. Nahoana?

Ara-dalàna raha mitomany isika rehefa maty ny havantsika na ny namantsika. Malahelo azy mantsy isika. Tsy ny nahafatesan’i Lazarosy anefa no nampirotsaka ny ranomason’i Jesosy, na dia tena tiany aza izy. Asehon’ny andinin-teny manodidina fa latsa-dranomaso izy, satria nangoraka an’ilay fianakaviana nidonam-pahoriana.Jaona 11:36.

Tsy tonga dia nandeha nanasitrana an’i Lazarosy i Jesosy, rehefa reny hoe narary izy. Hoy ny Jaona 11:6: “Mbola nijanona roa andro tany amin’izay nisy azy ihany izy rehefa reny fa narary i Lazarosy.” Nahoana? Hoy izy: “Tsy ho fahafatesana no anton’izany aretina izany, fa ho voninahitr’Andriamanitra, mba homem-boninahitra ny Zanak’Andriamanitra.” (Jaona 11:4) Nilaza i Jesosy hoe tsy ho fahafatesana no ‘anton’ilay aretina’, na ny hiafaran’ilay izy. Te hampiasa ny fahafatesan’i Lazarosy mantsy izy mba hanomezana ‘voninahitra an’Andriamanitra.’ Amin’ny fomba ahoana? Hanao fahagagana lehibe izy, ka hanangana an’ilay namany avy ao am-pasana.

Nampitovin’i Jesosy tamin’ny torimaso ny fahafatesana, rehefa niresaka tamin’ny mpianany izy tamin’io fotoana io. Izany no nahatonga azy hilaza hoe: ‘Handeha ho any aho hamoha an’i Lazarosy.’ (Jaona 11:11) Toy ny ray aman-dreny mamoha ny zanany matory no fiheveran’i Jesosy ny hoe hanangana an’i Lazarosy amin’ny maty. Tsy nisy tokony hampalahelo azy àry rehefa maty i Lazarosy.

Nahoana àry i Jesosy no latsa-dranomaso? Mbola mamaly izany ny andinin-teny manodidina. Nihaona tamin’i Maria anabavin’i Lazarosy i Jesosy, ka nahita azy sy ny olon-kafa nitomany. “Nalahelo mafy” àry izy “tao am-pony tao sady ory dia ory.” Ny fahitany ny fahorian’izy ireo no nampalahelo azy, ka ‘nampirotsaka ny ranomasony.’ Tena ory i Jesosy nahita an’ireo namany vontom-pahoriana.Jaona 11:33, 35.

Hitantsika amin’io tantara io fa tena mahery i Jesosy, ka vitany ny hamelona indray ny havantsika maty sy hanasitrana azy ireo, rehefa ao amin’ny tontolo vaovao. Hitantsika koa fa mangoraka an’ireo manana havana maty izy. Mandrisika antsika izany mba hangoraka an’ireo malahelo noho ny fahafatesan’ny havany.

Fantatr’i Jesosy fa hanangana an’i Lazarosy amin’ny maty izy. Tena tia an’ireo namany nidonam-pahoriana anefa izy sady nangoraka azy ireo, ka nitomany ihany. Miombom-pihetseham-po amin’ny olona koa isika, ka ‘miara-mitomany amin’izay mitomany.’ (Rom. 12:15) Tsy hoe tsy mino ny fitsanganan’ny maty ny olona maneho ny alahelony toy izany. Modely ho antsika i Jesosy, satria tena nangoraka an’ireo namany nidonam-pahoriana izy ka nitomany, na dia efa hanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty aza.