Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Safidiko Tamin’izaho Mbola Kely

Ilay Safidiko Tamin’izaho Mbola Kely

Tamin’izaho mbola kely

Vao folo taona aho tamin’ny 1985, rehefa nisy ankizy avy teto Kambôdza tonga nianatra tao amin’ny sekoly nisy ahy tany Columbus, any Etazonia. Nahay teny anglisy vitsivitsy ny ankizilahy iray. Nanao sarisary izy hitantarana tamiko fa nisy vonoan’olona sy fampijaliana nahatsiravina teto, ary nandositra ny olona. Nitomany aho tamin’ny alina nieritreritra an’ireo ankizy ireo. Te hiresaka taminy momba ny Paradisa sy ny fitsanganana amin’ny maty aho, nefa tsy azony ny fiteniko. Mbola kely aho nefa tapa-kevitra hianatra teny kambôdzianina, mba hahafahako hiresaka amin’izy ireo momba an’i Jehovah. Tsy nampoiziko hoe hisy vokany be teo amin’ny fiainako io safidiko io.

Sarotra ny teny kambôdzianina. Indroa aho no saika tsy hianatra an’ilay izy intsony, nefa nampiasa ny ray aman-dreniko i Jehovah hampaherezana ahy. Nampirisika ahy hitady asa be karama ny mpampianatra sy mpiara-mianatra tamiko. Te ho mpisava lalana anefa aho, ka fianarana nanampy ahy hahita asa tapa-potoana no nofidiko, teny amin’ny lise. Niara-nanompo tamin’ny mpisava lalana aho rehefa avy nianatra. Nanolo-tena hanampy ankizy hianatra teny anglisy koa aho, ary tena nahasoa ahy izany tatỳ aoriana.

Reko fa nisy antoko-mpitory miteny kambôdzianina tany Long Beach, any Etazonia, tamin’izaho 16 taona. Nankany aho ary nianatra namaky teny kambôdzianina. Nirotsaka ho mpisava lalana aho raha vao vita ny fianarako, ary nitory tamin’ny Kambôdzianina teny akaikinay foana. Nieritreritra hifindra tatỳ Kambôdza aho tamin’izaho 18 taona. Mbola nampidi-doza tatỳ, nefa fantatro koa fa mbola vitsy tamin’ireo mponina folo tapitrisa no nandre ny vaovao tsara. Fiangonana iray nisy mpitory 13 monja no tatỳ. Nitsidika an’i Kambôdza aho tamin’izaho 19 taona ary nifindra tatỳ, roa taona taorian’izay. Niasa tapa-potoana nampianatra teny anglisy sy nandika teny aho, mba hahafahako hamelon-tena sy hanompo. Nahita anabavy nitovy tanjona tamiko aho tatỳ aoriana, ary nivady izahay. Maro ny Kambôdzianina nampianay hanokan-tena ho an’Andriamanitra.

Nomen’i Jehovah ahy ‘izay nirin’ny foko.’ (Sal. 37:4) Tsy misy asa mahafa-po noho ny mitory sy mampianatra. Lasa fiangonana 12 sy antoko-mpitory 4 ilay fiangonana kely nisy mpitory 13, tao anatin’izay 16 taona nipetrahako teto Kambôdza izay!—Notantarain’i Jason Blackwell.